Dans la mme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

 

 

 

 

izay naneho fa fanitsakitsahana ny hasina sy ny vakoka no ataon’ny mpitondra. Ny fametrahana coliseum, na ascenseur, na betons, ao anatin’ny Rovan’Antananarivo dia tsy mety satria tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy, fanontana fady satria mifanipaka amin’ny resaka vakoka, ary tsy mety satria tsy manaja ny hasin’io toerana io, hoy ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina. Ny Rovan’Antananarivo dia toerana masina, ary Madagasikara tany Masina. Vakoka io, rakitry ny ela, izany hoe ny coliseum tsy nisy taloha, ary tsy tokony hasiana ao anatin’ny faritry ny Rova. Io toerana io dia nisy lapa sy trano folo mahery tao amin’ny faritra Atsimo Antsinanana ao amin’ny faritra anatin’ny Rova, toy ny Fohiroa, Lapa Manjakatsiroa, lapa Manjakahavana, Masoandrotsiroa, Rarihasina,… ka tokony tsoahina eo io coliseum io, ary haverina eo ireo lapa ireo. Ny kianja izany dia tsy azo atao any amin’ny faritra antsinanana ary misy dikany avokoa ny fahendren’ny razambe taloha hoe: maninona no any avaratra ny fidirana? Maninona eo afovoan' ny lapa? Ny kianja tokony hatao any andrefana? Hentitra ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina nilaza, fa io toerana io dia toerana masina ka izay mpitondra rehetra nifandimby ka nanao ny tsy mety teo amin’io toerana io, dia niongana avokoa. Nilaza kosa ny Minisiteran’ny kolontsaina, fa misy ny komity siantifika natsangana, izay ivondronana mpahay mozea sy mpahay tantara, ka tsy misy fanarenana na fanorenana azo atao, raha tsy mahazo fankatoavan’io komity io.Nanamafy ihany koa tao amin'ny pejy facebookny ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo fa tsy mbola nisy fangatahana nalefa tany amin'ny UNESCO ny amin'ny hanoratana ny Rovan'Antananarivo ho isan'ny vakoka iraisam-pirenena, noho izany tsy mandray baiko na avy aiza na avy aiza ny firenena Malagasy izay manana ny fiandrianany.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana