Dans la męme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin` ny coronavirus Aleo hisokatra ho an` ireo hery rehetra

20/05/2020

Ady iombonana ny coronavirus izany. Na inona inona resaka atao, na inona na inona disadisa politika sy tsy fitoviam-pijery dia tokony hifanolo-tanana, hiaraka hisoroka izay azo sorohana, hiaraka hanohana sy hitsabo izay efa marary ny rehetra.

 

 

 

 

 Ambetin-dresaka matetika ihany koa ny hoe “ratsy mpanolotsaina ny filoha” izay tsy zava-baovao intsony. Lasa ampijabahan'ny olona lava ny filoha Rajoelina, lasa mifampitsabaka asa koa ny mpikambana eo anivon` ny governemanta… Mila manova ekipa araka izany ny filoha. Manamafy izany ny nambaran` ny Profesora Andriantseheno Lalaoarisoa Marcellin hoe " Pandemie io ka tsy maintsy mamolavola ekipa matihanina ny fitondram-panjakana satria zavatra tsy azo lalaovina ny aretina coronavirus”. Tsy toa an` ireo aretina tsotra ny “coronavirus” ka hoe tsisy maty na koa tsisy vokany amin`ny toekarena. Noho izany, tsy azo atao ambanin-javatra. Ny filoha Rajoelina rahateo dia efa nanambara hatrany fa misokatra ho an` ny rehetra izy. Tsara kokoa mantsy raha misokatra ho amin` ireo herivelona rehetra ny fitantanana sy famahana ity olana ara-pahasalamana ity. Mba hampiharina ilay fitsinjaram-pahefana tena izy fa tsy havangongo eto Antananarivo Renivohitra sy ireo vondron' olom-bitsy avokoa izy io.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana