Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Manjakandriana Efa tafiditry ny Coronavirus ihany koa

20/05/2020

Tao anatin’ny herinandro dia tranga mampiahiahy 3 tamina kaominina telo samihafa ao amin’ny Distrikan’i Manjakandriana, araka ny tatitra nataon’ny Depiote Doda Andriamiasasoa.

 

 

 

 

 

Nisy vehivavy 2 tsy fantatra hoe avy aiza, izay nilaza avy any Anosibe an’Ala no nampiahiahy tao amin’ny kaominina Andriakely. Natao fitiliana TDR dia miiba ny valiny. Nojerena ny teo amin’ny sakana ara-pahasalamana na ny “barrage sanitaitre” tsy tao ny anarany. Notazonina ary tsy maintsy natao fitiliana PCR, ka andrasana ny valiny. Lehilahy 25 taona, zanaky ny pasitera avy amin’ny fiangonana FPVM kosa no efa voamarina ofisialy fa voan’ny Covid-19 ao amin’ny Kaominina Ambohidanerana. Nanao fivahiniainana tany Toamasina, ary tsy fantatra izay fomba nahatongavany tany Ambohidanerana, hoy ny fanazavanan’io. Ny zandriny dia mianatra amin’ny EPP, ka nakatona ny sekoly ankoatra ny fiangonana. Tsy maintsy hisy mazava ho azy ny fitiliana. Mpivady avy any Toamasina ihany koa no arahi-maso nampidirina tao amin’ny Hopitaly Carma ao Ambohitromby. Tsy nandalo tao amin’ny sakana ara-pahasalamana ireo olona. Mandeha kamio, ary miala mody mandeha tongotra rehefa handalo sakana, raha ny fanazavana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana