Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ambatovy Teratany vahiny iray matin’ny Covid-19 ...

19/05/2020

Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes no re omaly fa nodimandry tao Ambatovy - Toamasina, raha araka ny fampitam-baovao serasera anatin'ny orinasa . Niasa tao amin’ny departemanta “Utilities”

 

  ana orinasa manana tsenan’asa tao na “sous-traitans” EPI, raha ny fikaroham-baovao, ka ny taona 2012 no tonga tao Ambatovy. Naiditra tao amin’ny toeram-pitsaboana ISOS ao amin’ny faritry ny ozinina ihany ny tenany 11 mey lasa teo rehefa nahiana ho tratry ny covid-19. Voamarina fa voa taorian’ny fitiliana natao taoriana kelin’ny nidirany tao amin’ny toeram-pitsaboana. Nihanarefo hatrany, ka izao tsy tana izao ny ainy. Efa hitantsika rehetra ny fandravaravan’ity aretina ity manerana izao tontolo izao, ary efa maro tamin’ireo olona akaiky antsika no efa voany, hoy ny hafatra nataon’ny ekipa ara-pitantanana ny orinasa. Naneho fiaraha-miory ho an’ny namana sy tapaka sy ny fianankaviamben’Ambatovy ny ekipan’ny Fitantana ny orinasa omaly hariva ihany. Nanamafy fa tena azon’ny rehetra ao Ambatovy tsapain-tànana ny maha tena zava-doza ity aretina ity, ary porofo mivaingana amin’izany izao fahalasan’ny mpiara-miasa izao. Ity izany no olona faharoa matin’ny coronavirus teto Madagasikara taorian’ilay lehilahy 59 taona tao Toamasina ny 17 mey lasa teo. Andrasana anefa ny fanambarana ofisialy ataon’ny manam-pahefana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana