Dans la mme rubrique

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra

26/05/2020

Ankoatra ny fitsaboana ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ireo karazana zava-maniry haodina hanjary ho fanafody mahasitrana sy ny otra dia manome asa ireo tanora tsy an’asa eto amintsika ihany koa ny FITRAMA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy.

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra

Hamaky ny tohiny...

CHU Morafeno Toamasina Nodimandry ilay mpitsabo voan’ny Covid-19

25/05/2020

Olona roa no namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly manarapenitra, fitsaboana ireo mararin’ny Coronavirus omaly.

CHU Morafeno Toamasina Nodimandry ilay mpitsabo voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo

25/05/2020

sy mankasitraka ny hanohizana ny fampianarana "en ligne"

Mpianatra eny amin’ny anjerimantolo

Hamaky ny tohiny...

Sendikan'ny dokotera mpiasam-panjakana "Tsy afaka hanao sorona ny ainay izahay"

25/05/2020

Naneho fiondrehana ny fiombonan’alahelo tamin'ny fahafatesan'i Dr Daniel, Lehiben'ny Tobim-pahasalamana Fototra an-drenivohitra ao Toamasina omaly tao amin'ny Hopitaly Morafeno Toamasina ny Sendikan'ny Dokotera Mpiasam-panjakana (SMédFM).

Sendikan'ny dokotera mpiasam-panjakana "Tsy afaka hanao sorona ny ainay izahay"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana nentim-paharazana Tafajora ara-dalàna ny FI.TRA.MA

22/05/2020

Mijoro ara-dalana eto amintsika ny Fikambanan’ny Tradisionela Malagasy na ny FI.TRA.MA, miaraka amin’ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre sy ny fikambanana HAFARI Malagasy,

Fitsaboana nentim-paharazana Tafajora ara-dalàna ny FI.TRA.MA

Hamaky ny tohiny...

Orinasa OFAFA Haverina hamokatra fanafody indray

22/05/2020

Naverina amin’ny fanjakana ny tany sy ny toeram-piasan’ny OFAFA etsy amin’ny Zone Industrielle Forello Tanjombato,

Orinasa OFAFA Haverina hamokatra fanafody indray

Hamaky ny tohiny...

Tambavy CVO Nilamina ny resak'i Rajoelina sy ny OMS

22/05/2020

Nahafapo ny resaka nifanaovana tamin'ny Tale jeneralin'ny OMS Dr Tedros Adhanom Ghebreyesus izay mankasitraka ny ezak'i Madagasikara amin'ny ady ataontsika amin'ny coronavirus, hoy i Andry Rajoelina Filoham-pirenena Malagasy ny alarobia teo

Tambavy CVO Nilamina ny resak'i Rajoelina sy ny OMS

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Ankazomanga Lehilahy iray sempotra sady torana

19/05/2020

Lehilahy iray 62 taona no torana teny anoloan’ny Farmasia Ankazomanga omaly maraina tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany. Sempotra ary nikohaka no nahitan’ny olona azy.

 

 

 

 

Namily fiara niaraka tamin’ny patroany no sempotra tampoka. Nivoaka ary nilaza ny hamonjy mpitsabo. Efa mahazo azy ilay sempotra saingy tsy sempotra be ohatran’ny niseho, raha ny fanazavany. Tsy aretina mpahazo azy, fa sambany izy no torana, hoy ny fianankaviany. Aretin’ny tosi-drà sy goty no mpahazo azy. Noraran’ny mpitandro filaminana tsy hanantona azy ny olona nijery ny zava-misy. Nantsoina ny laharana 910 an’ny  CCO Covid-19 ka tonga teny an-toerana naka azy. Nentina eny amin’ny Hopitaly Befelatanana. Fiakaran’ny tosidra no voalaza nahatorana azy, raha ny vaovao farany.

 

TSY COVID 19

Nizaha ny marary ny ekipan’ny ny BIS na ny “Brigade d’Intervention Spéciale”, araky ny fandaminana sy ny toro-marika avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny « Centre de Commandement Opérationnel CCO Covid 19 ». Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy amin’ny BIS, notarihin’ny Médecin Capitaine Masina Ndalana d’Assise, dia tsy fahasemporana vokatry ny tsimok’aretina coronavirus no nanjo ity rangahy ity fa noho izy efa taizan’aretin’ny tosi-drà na « tension » sy vokatry ny aretim-po.Tsy vao izao no nisiana olona mitsirara an-dalambe teto Antananarivo sy ny manodidina fa efa maro, na nialoha na tato anatin’ny efa nahatafidiran’ny coronavirus. Teny Anosibe sy Namontana, ohatra, dia efa olona 3 no maty an-kalamanjana, teny Ambatomaro efa nisy olona nitolefika teo an-dàlana, teny Andoharanofotsy,… Eo ny mety ho fisian’ny aretina, fa noana ihany koa ny vahoaka.

 

 

 

Toky R sy J Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana