Dans la mme rubrique

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

26/05/2020

Nilatsaka omaly ny fampahafantarana na « affichage » fa ho atao lavanty ny 28 mey izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fananan’ilay mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

26/05/2020

Fahiny talohan’ny nidiran’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia ny mpanjaka no mpitazona sy tompon’ny Hasina, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Hasina izay azony avy amin’ny Zanahary sy ny Razana.

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

Hamaky ny tohiny...

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

26/05/2020

Tanamasoandro, Kianjamasoandro, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny hafa rehetra dia samy teny sy anarana nahenoana matetika ny voambolana hoe masoandro avokoa tao anatin’izao fitondrana izao.

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

25/05/2020

Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

23/05/2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

23/05/2020

Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

22/05/2020

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitondram-panjakana Manao pi-maso amin'ireo firenena miteny Anglisy

18/05/2020

Sambany nahitana fanehoan-kevitra tamin’ny teny anglisy ny faran’ny herinandro teo ny rindrin’ny Facebookn’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina.

 

 

Taorian’izay moa dia nisy koa ny fivahinianan’ny minisitry ny serasera malagasy sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, tao amin’ny haino aman-jery anglisy.Raha fintinina fohy ny resany tao dia nifantoka betsaka tamin’izay azo lazaina momba ny tambavy Covid organics na CVO. Ankoatry ny filazana fa Artemesinine no kasinga fototra ao anatiny dia naverina nazavaina koa fa tsy mila miandry ny atao hoe fanandramana klinika izy io fa fitiliana na “observation” dia ampy. Nangataka fanazavana mikasika ny maha samihafa ireo moa ny mpanao gazety ka dia novalian-dramatoa minisitra arak’izay fahazoany azy toy ny mahazatra izany. Amin’ny ankapobeny dia tsikaritra ho nisarika ny be kintana sy ireo firenena miteny anglisy mba hanjifan’izy ireo ity tambavy malagasy ity ny resakay. Paikadin-tserasera izay hita ho natodika kokoa any amin'ireo firenena miteny Anglisy fa tsy nionona intsony tamin'ny firenena Frankofonina. Anisan'ny fanontaniana mipetraka any an-tsain' ny olona ny  hoe ho sahy hanapaka tanteraka ny tady amin’ny frantsay tokoa ve ny fitondrana ankehitriny sa inona no mety ho anton'izao ?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana