Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tsiambaratelon'ny Covid Organics « Ny IMRA sy ny fitondram-panjakana ihany no mahalala azy »

18/05/2020

Efa niteny foana aho fa tsy maintsy hitohy ny fikarohana momba ny tambavy Covid organics na CVO, hoy ny Dr Marius Ramaroson, talen’ny Klinika Saint Thomas eto Antananarivo.

  Iaraha-mahalala, hoy izy, fa ny Artemisinine no mameno ny ampahany betsaka ao anatin’izy io, izay azo avy amin’ny zava-maniry hoe Artemesia anoa. Amin’ny maha dokotera ny tena, izany hoe siantifika, dia tsy maintsy mihevitra foana ny atao hoe “rigueur scientifique” saingy ao anaty fahamehana anefa isika ka noho izany dia tsy hoe tsy arahana io fenitra io fa mila iviliana raha maro ny aina mila vonjena. Ohatra, raha mahita olona sempotra ianao dia mahafantatra tsara fa eo amin’ny faritry ny tenda eo misy faritra azo tsindromina mety hanavotra ilay olona sempotra kanefa ny mpitsabo dia mahalala fa tsy ataotao foana io ka, noho izany, ny mpitsabo no tokony ho tomponandraikitra amin’ny fanatontosana izany. Hatreto dia ny fitondram-panjakana sy ireo mpitsabon’ny IMRA ihany, hoy izy, no mahalala ny tsiambaratelon’ny CVO. Isan’ny heverina ho mety ho fivoaran’ilay fikarohana nolazaiko ny nahitana ny CVO manasitrana taorian’ny CVO fisorohana. Ny azo antoka dia ny hoe ireo kasinga miisa 2 hafa ankoatran’ilay Artemesinine dia na kasinga mampaharitra ny fiasan’io Artemisinine io na mampitombo ny fomba fiasany. Noho izany dia tokony hisy dokotera manokana misahana ny fanaraha-maso ny fiasan’io CVO io mba hirosoana hatrany amin’ny fikarohana momba azy, hoy hatrany ity dokotera ity.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana