Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Andry Rajoelina "Ho henjana ny sazin'ireo tsy manaja toromarika"

18/05/2020

Roa volana katroka ny fahamehana ara-pahasalamana. 117 no voa tao anatin'ny iray volana. Voafehy ny fiparitahana rehefa nanaja ny toromarika.

 

Niroso tamin’ny fanalefahana saingy roa herinandro farany teo, tafiakatra 283 no voa. Mampalahelo fa nisy namoy ny ainy iray efa taizana diabeta sy tosidrà. Niakatra ny tahan'ny diabeta dia nampidirina hopitaly, nikohaka,niakatra ny hafanana natao PCR voaporofo fa “positif”. “Cas grave” izy efa sempotra , tsy azo nomena CVO noho ny aretina mitaiza azy, hoy ny Filoham-pirenena Rajoelina izay nankahery ny fianankaviany. Tsy maintsy hentitra, tsy misy ny fifamezivezena ny faritra mankaty Antananarivo sy Antananarivo mankany amin'ny faritra. Io no mampitombo ny fiparitanan'ny aretina, ka mila mifampitaiza sy mitandrina ary mandray ny anjara adidy tandrify azy ny tsirairay avy na olom-boafidy na olom-boatendry na ny vahoaka tsirairay avy, hoy Rajoelina. Isika anefa efa nahita ilay fanefitra, mihazakazaka ny aty Afrika maka ny anjarany mba hisotro…. Tsy nisotro tambavy CVO avokoa ireo olona tratry ny Coronavirus faramparany, hoy izy. Mitohy ny fahamehana manerana ny nosy, mitohy mihatra ny fepetra amin'ireo faritra 3, mihatra amin'Alaotra Mangoro ihany koa. Ho hentitra ny famaizana ho an'ireo minia manao tsirambina. Atao avo roa heny ny fepetra ho raisina satria miditra ririnina isika.

HANANGANA LABOARATOARA SY FAMOKARANA FANAFODY

 Miatrika ny fahavalo avy any ivelany sy ato anatiny isika, fizarazarana, fomba fiasa, hoy i Andry Rajoelina. Nanakiana ilay valim-pitilian’ny IPM 6 mey. 32/33 ny tapak'andro maraina, niampy 35 no nitondra ny tsimokaretina, ka 67 ny iray andro, kanefa 10 no tena voa rehefa naverina. Na inona na inona antony dia tsy azo ekena ny trangan-javatra tahaka izao, hoy i Andry Rajoelina. Tonga ny fotoana hiainantsika ny tena fahaleovantena marina… Hakana lesona sy hanamarina ny lalana hodiavintsika izao zavamisy izao; vonona hiara hiasa isika saingy tsy baikoan’ny avy any ivelany amin'izay safidintsika, hoy i Andry Rajoelina. Hanokatra toeram-pitiliana ho an'ny Malagasy eto Madagasikara isika, hanangana orinasa lehibe mpamokatra fanafody, ka hotokanana mialohan'ny 26 jona ny tetikasa. Tanjona ny mba haha maodely aty amin'ny ranomasimbe Indiana sy Afrika ary manerantany i Madagasikara indrindra fa amin'ity ady amin'ny coronavirus ity, hoy ny filoha Andry Rajoelina.

 

Tsy nisy resaka nandritra ny kabarin'ny filoha ny momba ny datim-panadinana, ny fiahiana ireo sekoly tsy miankina.Tsy fantatra mazava ihany koa ny mety ho tohin'ny tohana ara-tsosialy ho an'ireo sahirana.Niandry vasoka ihany koa ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina fa na fehezanteny iray aza tsy nisy miantefa amin'izy ireo.

Toky R sy Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana