Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin'ny Coronavirus Nakatona ny tsenan'ny Coum 67 Ha

16/05/2020

Nakatona ihany koa ny tsenan’ny Coum 67ha taorian` ny fanapahan-kevitra no raisin` ny fitondram-panjakana sy ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo eo anatrehan’ny famehana ara-pahasalamana sy ny ady amin'ny valanaretina Coronavirus.

 

 

 Mpivarotra mpanao asa tànana 2 000 mahery no tsy an’asa vokatr’izany, araka ny fanazavan’Atoa Randriamanana Albert, filohan’ny fikambanan’izy ireo notronon’ny delegen’ny tsena, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly . “Mpanao asa tànana manerana ny Nosy daholo ny 90%-n’ny olona miasa ao. Iray andro mialoha ny hanidina ny tsena vao nampahafantarina ny filohan’ny fikambanana. Olona avy any amin’ny faritra anefa no tena betsaka ao araka ny fanazavana, ka lasa lany « frais » sy tsy manan-kohanina fotsiny nony tonga teto, satria tsy afaka nitady vola akory”. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny alakamisy vao maraim-be hatramin’ny omaly no feno barazin’ny mpitandro filaminana manodidina ny vava-làlana miditra ny faritry ny Coum 67ha. Manao antso avo amin’ny tompon'andraikitra izy mba hijery vahaolona hanokafana ny tsena tapak’andro maraina isaky ny alakamisy sy zoma, fa mahatsiaro ho lasa ankilabao miohatra an’ireo mpivarotra hafa. Nampiseho ny fahavonony hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana takiana hatrany moa izy ireo Nomarihan-dRtoa Hantanirina R., delegen’ny mpivarotra sy mpanao asa tànana ihany koa, fa tsy mba isan’ireo nahazo fanampiana toy ny vatsy tsinjo sy ny tosika fameno izy ireo kanefa anisan’ireo tsy afa-niasa.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana