Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mitombo be ireo voan'ny Covid 19 Mety hohenjanina ny fepetra

15/05/2020

Tafiakatra 230 ireo olona voan’ny coronavirus ho an’I Madagasikara hatramin’ny nahatafidirany teto. Tsy mitsaha-mitombo, satria tranga 18 be izao indray no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta.

 Tao anatin’ny fitiliana miisa 210 vaovao natao no nahitana ireo 18 ireo, izany hoe 8,5% tamin’ireo notiliana izany no voa, izay tena ambony izany. Tao anatin’ny 72 andro izany dia 44 ny tranga raha ampiana ny 6 tranga ny 12 mey sy ny 20 ny 13 mey ny isa omaly. Ny olona 13 voa dia fitiliana vaovao mihitsy, ary ny 5 kosa "contre-test" tamin'ireo 67 noresahin'ny OMS ka naverina natao fitiliana noho ny ahiahy, ka ny 55 amin’ireo no efa tena natao, ary misy kosa ny famerenana ho an’ny 11 noho ny tsy fihetezana hafa, ary ny 1 kosa dia ilay vehivavy efa namoy ny ainy, izay nambara fa “negatif” na niiba ny valin’ny fitiliana ary aretina hafa no nahafaty azy. Ny 3 amin'ireto 5 ireto dia avy any Toamasina ary ny 2 ambiny kosa dia avy eto an-drenivohitra. Ho an’ny vokatry ny fitiliana vaovao kosa dia 11 tany Moramanga ary ny 2 dia avy ao Toamasina. Nisy iray vaovao sitrana nampiakatra ny isa manontolo ho 108, ary 122 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao.

HIHAMAFY NY FEPETRA…

Amin’ny faran’ity herinandro ity no ho tapitra ny 15 ho an’ny hamehana eto amin’ny tany sy ny firenena, izany hoe hisy fanapahan-kevitra vaovao indray andrasana. Raha zohiana amin’ny zava-misy, dia hitohy ny hamehana ara-pahasalamana. Ny 7 mey teo tany Toamasina ny Filoham-pirenena no nilaza fa raha tsy mitandrina isika ka tsy voafehy io, dia hiroso amin’ny fepetra mafy kokoa, ka andrasana izay ho fanapahan-kevitra horaisin’ny fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy. Mety ho samihafa arakaraka ny faritra sy ny taham-pahavoazana ny fepetra hivoaka. Ny azo handravonana azy dia tsy voafehy ny fipariahan’ny coronavirus, ary mihazakazaka ny taham-pahavoazana, ka mila ampitomboina ny fitandremana sy fahamailoana ho an’ny olom-pirenena.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana