Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tafiakatra 192 ny voan’ny Covid-19 Mampivarahontsana ny any Toamasina

13/05/2020

Olona miisa 213 no natao fitiliana ny 11 mey teo, ka 193 ny teto Antananarivo izay tsy nisy olona voa. Ny 20 kosa tany Toamasina, ka nahitana tranga vaovao 6 be izao, nampiakatra ny isa manontolo ho 192.

 

 

Ny 11 tamin’ireo 15 afakomaly anefa efa tany avokoa. 4 tamin’ireo 6 no efa fantatra ny mombamomba azy izay 13, 14, 18, ary 40 taona. Niampy 2 ny sitrana ka ny 107 ny fitambarany, 85 mbola tsaboina. Nanamafy hatrany ny tokony hitandremana ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, indrindra fa ny tokony tsy hivoahana ny trano sy ny fanajana ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana. Miisa 5670 moa ny fitiliana rehetra nanomboka ny 19 martsa. Mampatahotra ny isa any Toamasina. Nahatratra 24 ireo tranga vaovao tao Toamasina ny 7 mey nandalovan’ny Filoham-pirenena tany an-toerana hatramin’ny 11 mey hariva. Any no mandray marary betsaka indrindra eto Madagasikara, ary aorian’izay ny eny amin’ny Hopitaly Befelatanana eto Antananarivo. Nandritra io fotoana io no nampiaka-peo noho ny tsy fitandremana ny Filoha, indrindra fa ilay tsy tokony hivoahan’ny olona avy ao amin’ny orinasa Ambatovy, saingy mbola nisy nivoaka sy mafy loha, hoy izy. Mpiasan’Ambatovy iray tonga tany Brickaville no voamarina fa voa. Mbola avy tany Toamasina ihany, raha tsiahivina no nihavian’ilay tranga tany Ambohimena Antsirabe nisiana vehivavy bevohoka 4 volana, izay efa nalefa nanaraka fitsaboana aty Antananarivo. Olona 7 manodidina an’izy ireo no efa nanaovana fanaraha-maso ara-pahasalamana, ary mbola karohina kosa ny mpamily 2 nanatitra azy ireo tany Antsirabe izay ahiana ho nifindran’ny valanaretina, raha ny loharanom-baovao.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana