Dans la męme rubrique

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...

Mpamily mivoaka an` i Toamasina Mila manana pasipaoro manokana

02/06/2020

“Mila mifanaraka amin` ireo “transitaire” ireo mpivarotra fiara vaovao (concessionnaire) sy mpanafatra fiara avy any ivelany”, hoy Tianarivelo Razafimahefa, filohan` ny CCO COVID-19.

Mpamily mivoaka an` i Toamasina Mila manana pasipaoro manokana

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Nisy voafonja voan’ny Coronavirus

02/06/2020

Any amin` ireo firenena mandroso dia fanomezana fahafahana vonjimaika ny voafonja ny fepetra (procédure carcérale)no raisina mba hifehezana ny aretina Covid-19 any amin` ireo fonja.

Antananarivo Nisy voafonja voan’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona Artemisia “Handefa manam-pahaizana any Afrika i Madagasikara”

02/06/2020

Ny tambavy vokarintsika dia tsy isika eto ihany no nahita azy io. Efa tamin’ny nisy ilay SRASS-COV1 dia efa tamin’ny alalan’ny Artemisia no nampiasan’ny firenena sinoa azy io.

Andrana tsindrona Artemisia “Handefa manam-pahaizana any Afrika i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Toamasina Efa am-perinasa ireo miaramila 250 avy aty Antananarivo

02/06/2020

Nitsodrano ny bataillon na iraka manokana izay nanainga ny sabotsy hariva teo hihazo an'i Toamasina ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude.

Ady amin’ny Coronavirus Toamasina Efa am-perinasa ireo miaramila 250 avy aty Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mihorohoro i Brickaville Lehilahy iray ahiana ho nanaparitaka Covid-19

11/05/2020

Lehilahy iray mpiasan’Ambatovy monina ao Ambohijafy Toamasina no nanatitra razana tany Andovoranto Brickaville ny Alamisy 7 mey lasa teo.

 

 

Isan’ny natao fitiliana satria nahiana ho tratry ny coronavirus izy, ary 10 andro taty aoriana no nivaly ny fitiliana tamin’ny zoma lasa teo, ka voamarina fa “positif” izy io. Tsy fantany fa efa mitondra ny aretina izy, kanefa efa nivezivezy andro vitsy tao Andevoranto sy Manambato any Brickaville izy. Tsy izy irery no nandeha tany fa fianankaviana maromaro. Ahiana ho efa namindra taman’olona maro, ary mihorohoro ny any amin’ny toerana nolalovany. Ny sabotsy teo no nampahafantarina tamin’ny antso an-telefaonina fa voa, ary nalaina tamin’ny fiara manokana tany amin’ny nisy azy. Tsy ny tany Brickaville ihany fa izay toerana rehetra nolalovany, dia ahiana ho efa misy olona namindrany satria na fifanolorana vola aza, ohatra, dia mety hampifindra ny aretina. Tena tsy voafehy ny covid-19 !

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana