Dans la mme rubrique

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miditra an-tsehatra ny Praiminisitra "Tsy ekena ny filalaovana ny ain'olona..."

11/05/2020

Vaky ny adin’ny fanjakana sy ny Institut Pasteur… Nampanantsoin’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo ny avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM noho ilay ahiahina antontan’isa nivoaka ny alakamisy teo.

 

 

 

Nandritra ny ora iray teo ny fifampiresahana izay ny Praiminisitra, ny Minisitry ny fahasalamana, minisitry ny raharaham-bahiny no avy amin’ny Fanjakana. Nomena fe-potoana hatramin’ny alarobia 13 mey izao ny IPM hanao fanadihadiana anatiny sy hitondra ny valiny eny amin’ny Primatiora ny fanjakana. Handefa olona ihany koa hanadihady. Ain’olombelona no resahina ka tsy azo lalaovina, hoy ny Praiminisitra. Hisy ny fanadihadiana lalina izay hatao, ka nanipihany fa tsy azo ekena ary tsy hanaiky ny fitondram-panjakana. Hatramin’izay dia ny IPM ihany no manao ny fitiliana, fa amin’izao efa misy zavatra hita fa tsy mety, dia tokony manana fahafahana isika satria efa manana toerana anankiray dia ny Institut Charles Mérieux ihany koa afaka manao “contre-test”, hoy ny Lehiben’ny Governemanta. Tsy maintsy mitandrina rehetra amin’izay famoahana antontan’isa sy ny fanambarana atao etsy sy eroa, hoy izy. Hentitra i Ntsay Christian nilaza fa ain’olombelona no resahina eto, ka tsy misy afaka ny hilalao an’izany na iza na iza, ary ny fitondram-panjakana, dia tsy hanaiky ny filalaovana ataon’ny olona izay tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena. Kazaran’ny vaky ny adin’ny fanjakana amin’ny IPM, izay hany nambara fa manana ny fenitra amin’ny fitiliana ny covid-19 tany am-boalohany sy nivoahan’ny fitiliana hatrizay.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana