Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fahafaha-mivarotra ny Covid Organics Mbola fahazoan-dàlana vonjimaika hatreto

09/05/2020

Maro ireo dingana arahina hamadihana ny tambavy ho lasa fanafody, araka ny fanazavan’ny Pr Rafatro.

 

 

Voalohany dia ny fikarohana ireo raki-tsoratra siantifika mikasika ny tombotsoa mety ho azy sy ny zavatra mety hatahorana momba ilay akora namboarina avy amin'ny zava-maniry. Efa vita izany matoa tonga eny am-pelatanana ny CVO. Faharoa dia ny andrana amin’ny vatan'olona ijerena ny mety ho fomba fiasan'ilay akora azo avy amin'ny zava-maniry sy ny mety tsy haharotika ao anatiny. Efa misy ny fikarohana teo anivon'ny laboratoara sy ny andrana tamin'ny olombelona ary mbola mitohy avokoa. Fahatelo ny fangatahana fahazoan-dalana mametraka azy an-tsenam-bahoaka (AMM). Mbola tsy azo izy io satria tsy mbola nanaiky nilaza ny anaran'ireo zava-maniry roa mandrafitra ny CVO ny tompon'ny fikarohana. Raha mbola tsy mivoaka izay anarana izay dia tsy ho azo mihitsy ny AMM kanefa ny fanjakana dia nanome alalana vonjimaika hahafahana mivarotra ny CVO, hoy izy. Ny dingana fahaefatra dia ny fiarovana ny zo fiandoan-tompo-mananaara-tsaina na ny “droit de la propriété intellectuelle”. Hatreto aloha dia ny IMRA no tompony any anaty taratasy ofisialy. Mila vola betsaka kokoa ny fiarovana izany maneran-tany. Mazana dia manantena tamberim-bola amin'ny varotra matoa miaro. Raha voapetraka ny AMM sy ny “brevet” na ny “droit de la propriété intellectuelle” dia tsy misy afenina intsony ny momba ilay zavamaniry mandrafitra ilay vokatra ary azon'ny rehetra eran-tany jerena izany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana