Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Lehiben’ny OMS aty Afrika Nampitandrina an-dRajoelina…

09/05/2020

Nampitandrina ireo mpitondra Afrikanina ny Dr Matshidiso Moeti, lehiben'ny OMS aty Afrika mba tsy ho alaim-panahy hamoaka tambavy tsy nandalo

 

 

 

 

fanaporofoana ara-tsiantifika, ary voaresaka manokana ny Covid Organics izay nanaovan’ny Filoha Malagasy doka sy nalefa tany amina firenena Afrikanina maro. Isan’ny notononina manokana ireo firenena toa an’i Niger, Guinée Bissau, Guinée Equatoriale nahazo izany. Efa nisy moa ilay fandisoana nataon’ny CEDEAO sy ny rafitra ara-pahasalamana mifandraika aminy, fa tsy nanao kaomadina Covid organics avy amin’I Madagasikara. Ilaina ny fanaovana ireo "essais cliniques" hanaporofoana fa mandaitra tokoa ilay tambavy ary tsy misy voka-dratsiny amin'izay misotro azy, hoy ny Dr Matshidiso Moeti. Lasa miteraka resabe manerana ny kaontinanta Afrikanina moa amin'izao fotoana ny Tambavy Covid Organics Malagasy, ka anisan'ny fanakianana mahazo azy ny hoe tsy ampy ny fotoana nanaovana ny andrana, tsy mazava tsara hoe inona marina no tena asan'ilay tambavy ary inona no fepetra takiana raha hisotro azy. Marihina fa ny OMS no nanome vola antsika voalohany mitentina 3,7 tapitrisa euros, fony mbola tsy tafiditra teto ny coronavirus. Manomboka mihamafy ny don-tandroka ho an’ny fanjakana Rajoelina, ka asa izay hiafarany. Manamafy hatrany ny OMS fa 190 000 ny olona mety ho faty aty Afrika, raha tsy mahomby ny fihibohana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana