Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Liva Razafindrasolo « Tsy maty paika ny paikady »

09/05/2020

Manoloana ny krizy ara-pahasalamana mianjady amin` izao dia nitondra ny heviny ny mpandinika ara-politika, Liva Razafindrasolo indrindra mahakasika ny fomba hitantanana ny firenena.

 

 Nilaza izy fa ilay politikam-panjakana hiadiana amin'ny tsimokaretina no tsy dia mazava hatrany am-piandohana. Ny nahamaika dia nihazakazaka hanamboatra orinasa lehibe aty Afrika, ny hanovà ny tantaran'izao tontolo izao araka ny faminanian'i Johanna. Ny fanapahan-kevitra rehetra teto dia ny mpitondra no nandidy nanapaka saingy ny mpanohitra nangataka ny mangarahara toa tsy nohenoina, hany ka ilay fahamehana lasa toy ny didy jadona. Namafisiny hatrany fa tsy ny fividianana “test” sy ny fitiliana maro ankoatra ny nomen'i Jack Ma no laharam-pahamehana. Tsy ny fanafarana ny fitaovana mifandraika amin'ny fisorohana sy fitsaboana no natao vaindohan-draharaha. Ankoatra izay ny fahadisoana teo amin'ny fanentanana toy ny filazana fa "tsy mafy noho ny kolera sy pesta io, tsy mafy noho ny krizy 2002, sady misoroka no mitsabo ilay tambavy" hany ka nahatoky tena ny vahoaka ka tsy natahotra ny aretina intsony. Notsipihany hatrany fa tsy tokony azera fotsiny any amin'ny vahoaka ny tsiny hoe mafy loha. Antony, tsy mafy loha ny vahoaka fa mafy ady ary mbola miady mafy amin'ny fiainana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana