Dans la męme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tranga mampiahiahy momba ny Covid-19 Olona 67 nambara fa voa averina tiliana

09/05/2020

Nisy ny tranga vaovao 35 notaterina afak’omaly, izay nampitsangam-bolo ny Malagasy.

 

Mbola nisy ihany koa ny filazan’ny OMS dia fa misy tranga 67 izany hoe misy 32 hafa ankoatra ilay 35, saingy efa novainy natao amin’ilay 35 ihany. Nampiahiahy tao anatin’ny tarehimarika nentina. Tamin’ny volana 6 mey dia nisy “prélèvement” na olona nakana singa hanaovana fitiliana miisa 252 natao teny amin’ny IPM, izay betsaka noho ny mahazatra isan’andro fanaon-dry zareo izay salan’isa 100 na 150 farafahabetsany satria ny be indrindra, dia 201 fa indray mandeha ihany. Tsy mbola notenenina ilay 32 satria nandray fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana hoe aleo haverina hatao “prélèvement” sy hotiliana ireo olona ireo, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Ny zavatra nahagaga dia hatramin’ny nanaovana “prélèvement” sy fitiliana dia lasa be dia be tao anatin’ny fotoana fohy ireo olona nitondra ny tsimokaretina. Tsy maintsy nandraisana fepetra nohamarinina satria saropady ny ady amin’ny valanaretina, ary mendrika ny homena ny vaovao mitombina ny mpiray tanindrazana. Ny 21 tamin’ireo 32 no efa natao fitilianja teny amin’ny Centre d’Inféctiologie Charles Mérieux na ny CICM Ankatso, izay niarahana tamin’ny IPM nahita ilay hoe 32 no voa, ka “plateau technique commun” na fitaovana mitovy niombonana no natao niaraka tamin’ny CICM sy IPM, ary ny solontenan’ny Minisiteran’ny fahasalamana. Nitsimbadika ny isa satria 4 tamin’ireo 21 efa nolazaina fa voa no “positifs”, araka ny fanazavan’ny Pr Vololontiana. Andrasana kosa ny valin’ireo 11 ambiny. Tsy misy tarehimarika hotaterina. Notapahan’ny fanjakana ihany koa fa na ireo 35 efa nambara fa voa aza dia haverina hatao fitiliana any amin’ny CICM, ary mbola hanatrika eo ny avy amin’ny IPM. Ahoana no mety ho fahatokisana ireo fitiliana tany aloha? Misavoritaka tanteraka izany aloha ny resaka antontan’isa momba ny trangana coronavirus eto Madagasikara ary tahaka izany koa ny saim-bahoaka. Saropady loatra, ka mba hananana vaovao mitombina sy marina ary mangarahara no tanjona, hoy ny fanazavana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana