Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Institut Pasteur de Madagascar Tsy atokisan’ny fanjakana intsony ?

09/05/2020

Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny Fiohan’ny Repoblika, ka tsy maintsy misy ny fepetra raisina manoloana ny tarehimarika miteraka savorovoro, hoy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo.

 

 

35 ny tarehimarika nentina, izay nahagaga ny hariva fa 67 no nolazain’ny OMS. Ny seraseran’ny fanjakana tany aloha, dia hoe antontan’isa mahazo fanamarinana na “validation” avy amin’ny OMS no azo havoaka, saingy nifanipaka teto. Ilay 32 elanelany ny antony tsy namoahana azy, dia fanapahan-kevitra avy amin’ny Filohan’ny Repoblika noho ny fahitana fa misy zavatra mampiahiahy, raha ny fanazavan’io minisitra io. Ohatra, 33 no nolazain’ny IPM fa nakana singa tamin’ny vantana nanaovana fitiliana (prélèvement) ny 6 mey, ka mahagaga fa 32 izany “positifs” daholo, hoy i Lalatiana Andriatongarivo. Hatramin’izay dia eo amin’ny 60, 65 ary indraindray aza midina ambany be 16,14,… ary ny ambony indrindra dia 201 tamin’ny 28 martsa ihany no maro be. Tampoka teo dia hoe 252 no natao fitiliana. Ny IPM ihany anefa no efa nitondra fanazavana fa 100 hatramin’ny 150 raha be indrindra ka nahoana no tafiakatra 252? Hoy io Minisitra io.

Ahiahina fanakorontanana

Nanapa-kevitra ny fanjakana hanao fanadihadiana satria misy zavatra tsy mazava. Misy tranga mampiahiahy satria mety tsy vory ny singa ara-teknika sy ara-tsiantifika nahitana an’ireo. Tsy fahadisoana tsotra fa tena miteraka savorovoro ho an’ny firenena izao. Mikorontana ny olom-pirenena, ary miteraka fanohintohina ary voahozongozona ny fahatokisan’ny olona ny fanjakana. Tsy tokony ho azo ekena izany, ary tsy avela mandalo fotsiny raha ny nambaran-dRajoelina, araka ny fanazavan’i Lalatiana Andriatongarivo Mpitondra tenin’ny Governemanta. Asa na misy hidiran’ny politika avo lenta izao na olana ara-teknika fotsiny ihany ?

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana