Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Malagasy sasany mafy loha Tena nahatezitra an-dRajoelina

08/05/2020

Tena sorena kely aho, mba tsy hilazako hoe sorena be satria efa miasa andro aman’alina izahay hiarovana ny vahoaka, ahitana ny fanefitra kanefa misy manao tsirambina amintsika dia izao no mahazo.

Hita ho nifehy tena ny filoha omaly tany Toamasina na dia tsikaritry ny rehetra aza fa tena tezitra. Ny ao Ambatovy, tsy tokony hivoaka, kanefa misy mivoaka ihany, hoy i Andry Rajoelina tany Toamasina omaly. Olona iray mety hamindra amina 50 na 100. Aza gaga isika rahampitso raha tsy mandray andraikitra hoe an-jatony ny ho voa eto Toamasina. Goragora loatra sy tsy manaraka fitsipika loatra isika, ka hiteraka fahasahiranana ho an’i Toamasina sy Madagasikara iray manontolo, hoy i Andry Rajoelina. Mitombo ny “cas contact” ao Toamasina ka am-polony mahery no voa omaly. Nisy olona maherin'ny 20 nitady làlana, niakatra aty Antananarivo. Natao ny fitiliana hita avy eo fa "Positif"... Ezahina ny hahavitana fitiliana hatrany amin’ny 10 000, raha ny nambaran-dRajoelina. Mila hentitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mila manaraka ny fepetra sy fitsipika ny olona. “Efa niteny aho hoe misy tambavy io mahasitrana”, efa manana isika fanefitra hahafahana miaro. Mbola hapetraka indray ve hoe tsy tokony hisotro tambavy ny ankizy? hoy izy. Ny Prix nobel de la paix io efa miteny, vao omaly ny OMS no niteny fa “piste” anankiray hita “mety” afaka ny hanasitrana ny coronavirus ny zavatra azo avy amin’ny artemesia, hoy Rajoelina. Efa tena mahasitrana sa “mety” mahasitrana? Tsy ny serasera fandokafana tambavy ambara fa sady fisorohana sy efa fitsaboana mahasitrana ve no lasa fampijabahana vahoaka sy tsy hampikoropaka azy hoe misotro tambavy izany dia tsy voa intsony sy hoe hay ilay izy aza efa ambaran’ny mpitondra fa voatsabon’ny CVO ?

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana