Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tranga 35 indray andro Rakotra Coronavirus Antananarivo sy Toamasina

08/05/2020

Olona 35 be izao no voamarina, fa mitondra ny Coronavirus teto Madagasikara, nampiakatra ny isa ho 193, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 eny Ivato.

 

 

 

 

Ny 13 avy any Toamasina ary 22 avy eto Antananarivo. Tsy nisy sitrana vaovao fa mijanona 101, ary 92 no mbola manaraka fitsaboana. 22 tsy misy soritr’aretina tamin’ireo tranga vaovao, fa ny 13 no misy. Tsy misy ny olona maty. 3968 ny fitiliana vita hatramin’ny 5 mey.

 

Fitiliana 219 kosa no nahitana ireo olona 35 vaovao, raha ny fanampim-panazavana nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fahasalamana Pr Solofomalala Gaetan Duval. 2 avy eny Antananarivo Atsimondrano, dia teny Soalandy Ankadivoribe samy vehivavy 34 sy 70 taona. 20 kosa teto Antananarivo Renivohitra, ka 3 Anatihazo Isotry (Lehilahy 2 samy 62 taona sy vehivavy iray 69 taona); Vehivavy iray 27 taona eny Analamahitsy, Zaza 9 teny amin’ny manodidina an’i Mahatony Soavimasoandro sy Alarobia Amboniloha (zazavavy 10 taona miisa 4, vavikely 9 taona, lahikely 12 taona, lahikely 10 taona miisa 3); Vehivavy iray 27 taona teny Tsiadana; Nisy teny Antsobolo Ambatomaro, Izaivola Belanitra, Amboditsiry, Anosisoa Ambohimanarina, Anosizato Antsinanana, ary Ambolokandrina. Mampatahotra ny fiakaran’ny isa, izay midika fa tsy voafehy ny coronavirus eto Madagasikara. Manenika an’Antananarivo sy Toamasina ny valanaretina. Marina fa manao serasera mafy momba ny tambavy ambarany fa mahasoroka sy mahasitrana ny fanjakana, saingy mampanahy ny zava-misy. Fandriana 500 latsaka ny vonona ho an’i Madagasikara, izay tsy haharaka raha mihazakazaka ny fitomboana. Misy fepetra tokony hamboarina sy hatsaraina, raha tsy izany dia mila miomana amin’ny zava-doza kokoa noho izao i Madagasikara. Mety hihamafy ny fepetra toy ny fiverenana amin’ny fihibohana tanteraka, kanefa mila ampifanarahana amin’izany ny fanohanana ara-toekarena sy ara-tsosialy satria efa tena mijaly ny vahoaka. Mampitsangam-bolo ny zava-misy !

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana