Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tambavy CVO Tsy nanao kaomandy izany ny CEDEAO

08/05/2020

Ny Covid-organics, raha tsiahivina, dia vokatry ny fikaroahana nataon` ireo mpikaroka eo anivon` ny IMRA izay nanolotra tambavy ho fanafody fanefitra entina miady amin` ny coronavirus.

 

 

 

 Noho izany, nizara izany tamin` ireo firenena afrikanina izany ny filoha Rajoelina. “Manoloana ny fangatahana nataon` ireo filoha afrikanina, dia voninahitra ho ahy no manolotra ireo fanomezana avy aty Madagasikara ho an` ireo firenena 15 mikambana eo anivon` ny CEDEAO” hoy izy tamin` ny naneho fisaorana ny Guinée- Bissau izay hiantoka ny fitsinjarana ny vokatra ao amin`ny faritra CEDEAO. Saingy namoaka fampitam-baovao ofisialy ny CEDEAO (vondron` ireo firenena any Afrika andrefana) ny alarobia lasa teo ka nandà mafy izany kaomandy CVO voalaza nataony izany. “Nisintona ny sainay ny filazana tamin` ireo haino amn-jery fa ny CEDEAO dia nanafatra ny tambavy Covid Organics (CVO) avy amina firenena iray. Tianay no manamarika fa ny CEDEAO sy ny rafitra manokana misahana ny fahasalamana (OOAS) ao aminy dia mitsipaka io filazana ary mampandre ny besinimaro fa tsy nikaomandy izany fanafody izany”. Na izany na tsy izany, notsindrian` ny CEDEAO hoe “ao anatin` ny fiantohana sy ny fanatsarana ny fahasalaman`ny mponina ao amin`ny faritra, manohana hatrany ny fampiroboroboana ny fitsaboana lovain-jafy sy ireo vokatra ao amin`ny faritra CEDEAO ny OOAS ary niara niasa an-taonany maro, raha toa ka manaraka ny fenitra siantifika ireo fanafody.” Araka ny fanambarana hatrany dia ny ivon-toerana afrikanina misahana ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina (CDC Afrique), rafitra eo anivon` ny Vondrona afrikanina no voalaza fa mifandray amin`i Madagasikara mba “hitsirika ny antontan-kevitra ara-tsantifika misy hatramin` izao ho fiantohana sy hanaporofo fa mahomby manoloana ny COVID-19”.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana