Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

7 indray voan’ny coronavirus Lasibatra hatramin'ny zaza vao 9 volana

07/05/2020

Nisy trangana coronavirus 7 vaovao ny 4 sy 5 mey, ary tsy nisy kosa ho an'ny omaly 6 mey, araka ny tatitra nataon'ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

 Niakatra ho 158 izany ny olona voamarina fa voa eto Madagasikara. Iray tamin’ireo no avy eto Antananarivo, izay tovolahy 15 taona. Ny 6 kosa dia avy any Toamasina avokoa, ka zaza 9 volana ny iray, lehilahy 21 taona, lehilahy iray sy vehivavy 3 izay tsy fantatra ny tena mombamomba azy. Tsy mifidy taona ny tsimokaretina covid-19 ka io zaza 9 volana io no zandriny indrindra, ka fifampikasohana tamina olona voa no nahavoa azy. Tsy misy soritr’aretina izy ary arahi-maso akaiky ny fahasalamany. Tokony tohizana foana ny fampinonoana, olona tokana no tokony hikarakara ny zaza, ary mila hajaina ny fepetra toy ny fanaovana arovava. Mila manaja hatrany ny fenitra ara-pahasalamana, ary tsy tokony horokorohana ny zaza, ary fadiana ny manao ilay hoe hampidirina kely any am-bava aloha ny sakafo vao hafahana azy. Olona 82 kosa ny zokiny indrindra amin’ireo voa eto Madagasikara. Miakatra hatrany ny isa any Toamasina satria saika tany amin’iny faritra Antsinanana iny hatrany ny ankamaroan’ireo voa tato ho ato. Miisa 3907 ny vita fitiliana nanomboka ny 19 martsa nidiran’ny coronavirus hatramin’ny 4 mey teo. 3 hatramin’ny 6% eo ny taham-pahavoazana mitaha amin’ny fitiliana vita. Manodidina ny 64% eo kosa ny taham-pahasitranana izay 101 hatreto, ary 57 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana. Tsy mitsaha-miakatra ny isan’ny voa, ka aleo mailo sy mitandrina hatrany. Mila manao arotava sy manasa tanana matetika ary manaja hatrany ilay elanelana 1 metatra ny rehetra na lehibe na ankizy, n'aiza n'aiza toerana aleha.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana