Dans la męme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Andry Rajoelina "Henjana kokoa ny sazin'ireo mafy loha"

04/05/2020

Miankina amin’ny fifehezan-tena ny fepetra horaisina. Maro anefa tsy mifehy tena. Mitaraina fiarakaretsaka sy ny taksibe, ka nekena hoe samy manao arotava mba ho fifehezana.

 

 Mbola misy ny taingim-be araka ny tatitra azoko, misy ny mpandeha, resevera, mpamily,… tsy manao arovava. Misy anefa ny toerana efa nahitana ny “cas contact”, hoy i Andry Rajoelina. Mbola hita ho mitombo satria nahitana tany Toamasina sy teto Antananarivo raha toa ka tsy nahitana intsony tany Fianarantsoa. Any manao arotava daholo fa eto Antananarivo misy mafy loha. Mbola mihatra avokoa ireo fepetra noraisina teo aloha ho an'ny faritra Atsinanana, Analamanga, Matsiatra ambony, hoy ny Filoha. Mbola mikatona avokoa ny zotra na ana habakabaka na an-dranomasina. Niresaka tamin’ny Filohan’i Kaomoro ka tsy misy olona tokony hiditra eto amin’ny alalan’ny botry avy any Kaomoro izay efa betsaka ny tranga. Tsy maintsy manao arotava avokoa ny rehetra. Hohamafisina ny sazy, ka hiasa mandritra ny tapak’andro manontolo izay tratra: fambolen-kazo, fanamboarana zaridaina manontolo ka homena gilet. Ny taksibe sy fiarakaretsaka tsy manao arotava dia ahiditra “fourrière” avy hatrany, ary saziana ihany koa ny mpandeha tsy manao arotava. Mijanona amin’ny 1ora ny asa aman-draharaha. Ny kilasy hanala fanadinam-panjakana no mianatra, fa raha tsy maro na mihena ny ankizy tratry ny tsimokaretina, dia heverina ny hampidirana hianatra ny ankizy afaka tapa-bolana. Ny fiangonana na moske dia ferana 50 ny mpivavaka amin’ireo faritra telo.

Faritra hafa

Ankoatra ireo faritra 3 miampy an’Alaotra Mangoro, dia homena fahalalana mihoatra ny 50 ny fiangonana sy moske, ary ho an’ireo lehibe dia mety hatrany amin’ny 200 fa manaja ny elanelana. Afaka misokatra ny restaurant fa manaja ny elanelana iray metatra. Ny hetsika samihafa, dia tsy mihoatra ny 50 ny olona. Miverina amin’ny fiainana andavanandro ny fiainana amin’ireo faritra rehetra ankoatra ireo efatra notanisaina. Raha sanatria mitombo, dia tsy maintsy haka fepetra hafa, hoy i Andry Rajoelina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana