Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo Vehivavy 4 indray no voan'ny Coronavirus

02/05/2020

Nahitana tranga 4 vaovao ireo olona notiliana, ka niakatra 132 ny isan’ny olona voamarina fa voa hatramin’izay, hoy ny Pr Vololontiana Hanta omaly 1 mey.

 

 

Nisy 2 sitrana, ka 94 izay ny fitambarany ary kosa 38 ireo mbola manaraka fitsaboana. Vehivavy avokoa ary "cas contact" ireo izy ireo: 27, 44, 47, ary 58 taona, samy teto Antananarivo avokoa, ary tsaboina ao amin’ny Hopitaly Befelatanana. Ny 2 tamin’izy ireo voa no misy soritr’aretina: mikohaka, reraka, manavy,... Betsaka ny zavatra efa fantatra sy azo antoka momba azy.Mbola manaporofo hatrany ireo tranga vaovao 4 ireo fa miparitaka eto Antananarivo ny Coronavirus ka noho izany zava-dehibe ny fiarovan-tena sy fanarahana ny toromarika. Ny Coronavirus moa dia tsimokaretina vaovao noheverina fa avy amin’ny biby niampita tamin’ny olombelona, ary mamindra amina samy olombelona. Ny piti-drora no ifindrany vokatry ny tsy fitandremana. Mifindra aloha be izy ity, na dia mbola ao anatin’ny olona tsisy soritr’aretina aza, dia efa mamindra. Ao ny milaza hoe 5 andro na 7 ny ifindrany, saingy mila tazonina foana ilay 15 andro.

Mbola eo am-pikarohana

Mbola manahirana ny mpitsabo maneran-tany, hoy ny Pr Vololontiana ity valanaretina ity. 630 any ho any no isan’ny fikarohana atao maneran-tany momba ny fanafody na fisorohana. Mbola tsy misy hoe ity no izy, fa mbola samy manao toy ny eto amintsika, hoy izy. Tsy misy mbola afaka miteny hoe ity fanafodinay ity no mety, eny fa na ny fisorohana aza. Mbola ho ela ny vaksiny, ary iaraha-mahalala fa miovaova io, mbola tsy fantatra na hiova hasiaka kokoa, hoy ity mpitsabo ity. Efa voaporofo fa afaka mamely ny taova rehetra, ary hita fa ireo karazana vondron’olona marefo kokoa mety ho voa noho ny hafa: olona lehibe loatra, ny bevohoka,… hoy hatrany ity mpitsabo ity. Ny mitandrina ny fanafody mahomby hatreto. Ilaina hatrany ny manasa tànana satria potiky ny raotran-tsavony sy ny alikaola ao amin’ny “gél désinfectant” ny covid-19, kanefa velona hatrany amin’ny 7 andro eny amin’ny hipetrahany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana