Dans la męme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalĂ na nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanĂ na ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanĂ na ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tsy mora ny fitsaboana Mety miova endrika in-32 ny Coronavirus

30/04/2020

Miisa 3107 ny fitiliana vita hatramin’izay. Tsy nisy ny tranga vaovao omaly, fa nisy kosa ny 8 sitrana,

 

 

 ka niakatra 90 ny fitambaran’ny olona sitrana, ary 38 izany no mbola manaraka fitiliana, ka 128 ny fitambaran’izy rehetra. Tsy misy ny fahasarotana ilana fameloman’aina, ary tsy misy ny maty, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana. Na 38 aza ny marary tsaboina amin’izao, dia 497 ny fandriana vonona ho an’ireo marary ahiana na ireo mitondra ny tsimokaretina. Mbola miantrana sy vonona ny mpitsabo amin’ny ady atao amin’ny coronavirus. Tena mivarahontsana izao tontolo izao, tsy mitsahatra isan’andro mitafa amin’ireo namana aman-tsakaiza, mpitsabo, izay mahita sy miaina ny zava-misy any ivelany. An-tapitrisany no voa, an’hetsiny ny maty. 5 volana teo no nipoirany, ary ny toetrany dia tena mahavalalanina ny mpitsabo sy mpikaroka maneran-tany, hoy hatrany ny Pr Vololontiana. Tany amin’ny voalohany ny mampiavaka azy dia ny hoe mamindra izy, ary olona 2 na 3 eo no hamindran’ny iray, raha tsy misy ny sakana toy ny fikohafana fahatany, ny tsy fiarovana,… Mbola ao anatin’ny fikotrehana (periode d’incubation) izany hoe mbola tsy misy soritr’aretina dia efa mamindra, ary tena mifindra aloha be. In-droa na in-telo miova toetra isam-bolana ny voalazan’ny fikarohana tany am-boalohany, ary misy mpikaroka aza mahita fa in-32 miova, hoy ny Pr Vololontiana. Eo ihany koa ny fomba fitrangan’ilay aretina. Misy olona azo lazaina ho tsy marefo satria misy manao “forme grave”. Tsy ny taovam-pisefoana irery no hasiany fa taova maro. Rehefa tafiditra izy dia ny hatahorana hoe ny hery fiarovana dia mamaly bontana tsy araka ny tokony ho izy. Mamoaka kasinga be loatra ka ilay hery fiarovana indray no lasa mamono ilay olona. Mety lasa hisy vaingan-drà any amin’ny làlan-dra, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana