Dans la mme rubrique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

03/06/2020

93 tapitrisa dolara mahery ny trosantsika amin’ity taona ity tokony haloha, ka 12 hatramin'ny 13 tapitrisa isam-bolana ny tokony ho fanefana izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

03/06/2020

Minisitra dimy no nanao ny tatitra ny zava-bitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny CCI Ivato.

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

Hamaky ny tohiny...

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

03/06/2020

Ny alin’ny alatsinainy 01 jona teo tamin’ny 9 ora no nandrenesanay fa voasambotra ny filohan’ny fikambanana Soluma, Berija Ravelomanantsoa , hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Riana Rakotonirina.

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

03/06/2020

Fanamarihana hatry ny ela tsy ny fahamatorana ara-potoana ho an’ny fanaovana fandaharana manokana mikasika ny hamehana ara-pahasalamana.

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

Hamaky ny tohiny...

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

03/06/2020

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ ny praiministra omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely.

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fisandohana sy fanalam-baraka Nitory eny amin'ny Sampana "cybercriminalité" ny TIM

28/04/2020

Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny cybercriminalité teny Anosy ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM omaly.

 

 

Tamin’ny 24 aprily dia nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraser­a ny resaka mahakasika fanambarana nolazaina fa nataon’io antoko io, ary nampiasaina ny sarin’ny antoko sy nosandohana ny sonian’i Marc Ravalomanana. Fanambarana diso ary tsy marina io, izay nolazaina ao anatiny, fa ny Antoko TIM sy ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) dia tsy mankasitraka ny fitondram-panjakana izay mieboebo mamoaka ny covid organics. Tsy nanao izany ny TIM, ary tsy fanambarana nataonay mihitsy izany, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Sangy mihoatra ny loha ity, ary izay no tena nahatonga anay handray fepetra aleo hatao ilay fitoriana, ary isika tena mametraka mihitsy hoe tany tan-dalàna I Madagasikara. Misy ny tompon’andraikitra mahasahana izany rehetra izany, ary ihany koa mba hametrahantsika fitokisana amin’ny fitondram-panjakana hoe: tany tan-dalàna I Madagasikara ka rehefa hita hoe misy zavatra tahaka ireny dia ho hitantsika sy hiaraha-mahita eo hoe hatraiza ny fampiharana izay lalàna izay, hoy ity Sekretera jeneralin’ny TIM ity. Andrasan’ireo mpikatroka araka izany na hitovy tamin’ny hafainganan’ny fanenjehana an’i Arphine Rahelisoa ity raharaha ity na hihisatra satria olona manana sata ambony satria Filoham-pirenena teo aloha no nosandohana sy nampiasaina ny soniany, izay azo adika ho fandikan-dalàna mihoampampana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana