Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Sénégal Tsy mbola nikaomandy Covid Organics izany !

27/04/2020

Nambaran’ny Filoha Rajoelina ny faran’ny herinandro teo fa niarahaba an’i Madagasikara tamin’ny fahitana ilay tambavy Covid organics ny firenena Sénégalais tamin’ny alalan’ny Filohany Macky Sall.

 

 

 

Nisy ny fifampiresahana tamin’ny alalan’ny “Videoconférence” nifanaovan’ny roa tonta. I Sénégal no firenena ivelan’i Madagasikara voalohany nanao kaomandy an’io tambavy io, hoy ny Filoha Malagasy tao amin’ny tampanjotra tweeter. Ny fampalalam-baovaon’ny RFI omaly 26 aprily maraina, namoaka fa tsy hanao andrana an’ity tambavy Malagasy ity i Sénégal aloha hatreto. “Le Sénégal reste prudent au sujet du remède Malgache” na hoe mailo i Sénégal amin’ny resaka tambavy Malagasy, hoy ny lahatsoratry ny RFI. Ny loharanom-baovao avy any Dakar dia maneho fa tsy nisy kaomandy natao izany. “Manaraka akaiky ny fikarohan’i Madagasikara sy ny voka-tsoany izahay”, io no nambaran’ny mpanolontsaina akaik'i Macky Sall, fa tsy nisy resaka mihitsy fanaovana kaomandy araka ny nambaran-dRajoelina ary tsy mbola neken’ny Fiadidian’ny Repoblika izany, hoy ny tatitra voarain’ny RFI. Ny nambaran’i Macky Sall tao amin’ilay Videoconférence dia nilaza fa afaka ny hisokatra amin’ny fandraisana santionany. Tsy misy mihitsy ny fitsinjarana io tambavy io efa voafaritra. Tsy misy mihitsy ihany koa ny andrana fampiasana ity covid organics ity min’ireo mararay tratry ny covid-19 any Sénégal, araka ny voalazan’io loharanom-baovao io. Marihina fa efa 7 ny maty tany Sénégal, 614 ny voa, ary 276 no efa sitrana... Namaranan’ny RFI ny lahatsorany moa ny hoe: tsy misy porofo ara-tsiantifika azo tsapain-tànana maneho ny fahombiazan’ity covid organics ity mbola azo hoentina aloha hatreto. Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny Fitondram-panjakana, indrindra ny Filoha Malagasy satria manaratsy endrika na mety hanala baraka azy sy ny fitondrana tarihiny ny toe-javatra tahaka izao. Ny Sénégalais ve no nivadika sa ny Filoha Malagasy no maika hanao dokam-barotra ?

 

 

 

Toky R

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana