Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fiantraikan’ny Covid Organics Renim-pianakaviana iray nitantara ny nanjo azy

27/04/2020

Renim-pianakaviana iray no nanao fanehoan-kevitra karazana fanairana ho an’ny siantifika sy ny mpitsabo ary manampahaizana taorian’ny fisotroany ilay tambavy covid organics. Rehefa avy nisotro ilay CVO ny tenako dia izao no

 

 

niseho: ny andro voalohany, tonga ny CVO dia nokarakaina araka ny toro-marika dia nisotro. Nipipy matetika aho. Andro faharoa androany [alahady] maraina: nihenjana be ny hatoko, hila tsy afaka nitodika ny lohako, niakatra ny "tension" dia avy eo nandoa aho, hoy ity fanehoan-kevitra hita omaly hariva ity. Najanoko avy hatrany ny CVO. Ny zanako 13 taona nisotro : “ça va” be; ny mpanampiko 2 vavy nisotro tahaka izay ihany, fa somary be pipy fotsiny; zaodahiko misy “allérgie” efa hatramin’izay: “ça va” be sady tsy nangidihidy azy intsony ny tendany ary natory tsara izy alina; ny vadiko tsy nisotro; zanako lahikely 3 taona tsy nomeko, hoy ity karazana setriny sy fanahoan-kevitra ity. Hafatra ho an'ny IMRA nataony ny hoe:ankoatry ny fomba fikarakarana dia tsara ampiana soratra eo amin'ilay taratasy hoe "tsy mety ho an'ny olona misy tosi-drà". Mino aho fa afaka manampy anareo manam-pahaizana ity "feed-back" amina sokajin'olona samihafa ato an-tranoko ity. Samy manana ny toe-batany mantsy ny tsirairay, hoy izy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana