Dans la mme rubrique

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

05/06/2020

Renim-pianankaviana iray notsaboina teny amin’ny Hopitaly Anosiavaratra voamarina fa voan’ny Covid 19 no namoy ny ainy, ka nampiakatra ny isan’ny maty rehetra hatramin’izay ho fito. Nisy fahasarotany ny fiterahany ny alarobia 3 jona teo.

Anosiavaratra Maty teo am-piterahana ilay voan’ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

05/06/2020

Anisan’ny toerana ahitana olona maro tratry ny aretina Covid 19 any amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nofendrahana ranom-panafody ny sekoly sy ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

05/06/2020

Nibahan-toerana mandritra ny tatitry ny misnitry ny fahsalamana manoloana ny solombavambahoaka ny momba ny aretina Covid-19. Nitondra fanazavana ny minisitry ny fahasalamana,Ahmad Ahmad, momba ny ezaka vita momba ny “coronavirus”.

Minisitry ny fahasalamana Mangataka fanampiana amin`ny « fond mondial »

Hamaky ny tohiny...

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

05/06/2020

Raha ny tarehimarika farany nivoaka tamina haino aman-jery iraisam-pirenena iray dia firenena miisa 5 no nahitana ny taham-pahasitranan'ny covid-19 tsara indrindra eto Afrika hatreto.

Nosy Seychelles Sitrana avokoa ireo mararin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

05/06/2020

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana Tchadien Mahamoud Youssouf Khayal omaly zoma 4 jona tao amin’ny fampahalalam-baovao Al Wihdad Info, fa olona 34 no notsaboin’izy ireo tamin’ny Covid Organics avy aty Madagasikara.

Minisitry ny fahasalamana avy any Tchad “Olona 34 no notsaboinay tamin’ny CVO »

Hamaky ny tohiny...

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

05/06/2020

Miantso ny vahoakan` i Toamasina hanaraka ny fepetra entina hiadiana amin` ny Covid-19 ny depiote Famindra Justin, izay voafidy tao Toamasina I.

Famindra Justin “Miantso ny vahoakan’i Toamasina hanaja ny fihibohana”

Hamaky ny tohiny...

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Zaza 9 taona tratry ny Covid-19 Tandindonin-doza ireo olona marefo

27/04/2020

Miisa 82 ny fitiliana natao teny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar [IPM] ny alakamisy 23 aprily ka hatrain’ny sabotsy 25 aprily tamin’ny 12ora atoandro, ka olona iray no voamarina fa tratry ny coronavirus tao anatin’ireo, nampiakatra ny isa ho 123. Lehilahy 35 taona any Toamasina izy io.

 

 

 

Nisy iray no sitrana teo, ka nampiakatra ny isa ho 61 tamin’ny sabotsy. Omaly kosa, dia nahitana tranga iray vaovao ny fitiliana 63 vita, ka nampiakatra ny isa ho 124 nanomboka hatramin’ny nahatafidirany teto Madagasikara 19 martsa, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19. Tovolahikely vao 9 taona any Toamasina izy io, efa tsaboina, tsy misy soritr’aretina atahorana. Tany aloha dia efa nisy zaza 4 sy 12 taona voa tany an-toerana. Niampy 9 ihany koa ny sitrana izay efa 71 amin’izao fotoana izao PCR eny amin’ny IPM, ary 53 ireo mbola tsaboina, ka tsy misy soritr’aretina tena atahorana. Mamaly ny fepetra famaritana ny fahasitranana ireo sitrana, dia ny fitiliana in-droa misesy mielanelana roa andro, ka rehefa samy “negative” dia izay no atao hoe sitrana.

MILA HAROVANA MAFY IREO MAREFO

Mitohy tsy tapaka ny fitiliana, ary matoa mbola misy olona vaovao dia mbola ao anatin’ny ady tanteraka isika. Rehefa misy ireo olona maneho soritr’aretina ka ahiana ny aminy no tiliana. Rehefa manantona ny toeram-pitsaboana dia mandray an-tànana avy hatrany ny tompon’andraikitra. Manana mpanao fanadihadiana ifotony rahateo ny mpiasan’ny fahasalamana mitily izay mety ho voa. Ho an’ireo olona marefo raha sanatria tsy voaray ara-potoana dia sanatriavin’ny vava hamoy ny ainy, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Na tsy ao anatin’ny marefo aza dia mety hanao ilay tranga mampanahy ihany. Atao am-pitiavana ny fiarovan-tena, fiarovana ireny olona marefo ireny: mihoatra ny 70 taona, taizan’aretina, marary voa, marary foa, diabetika, misy takaitra, voan’ny homamiadana, ireo mihinana fanafody mampihena ny hery fiarovana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana