Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Lalatiana Andriatongarivo “Mahasoroka ny covid-19 ,tsisy voka-dratsy ny tambavy”

24/04/2020

Raha fisorohana ho an’ny ankizy dia 33cl indray mandeha isan’andro, ary in-telo ao anatin’ny herinandro ihany no misotro ho an’ny zaza.

 

 

Efa ampy ny fiarovana ao amin’ny tenantsika rehefa mahavita an’izay ary tsy handairan’ny tsimokaretina intsony. Ho an’ny olon-dehibe dia 33CL ampitomboana roa ao anatin’ny iray andro, ary sotroina isan’andro mandritra ny herinandro, hoy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo nandritra ny fizarana ny Covid Organics teny amin’ny CSB II Talatamaty omaly. 7 andro dia tokony ho ampy ny hery fiarovana ka tsy handairan’ilay tsimokaretina intsony. Tsy misy atahorana, tsy misy poizina na “toxicité”, tsy misy vokatra hafa amin’ny vatana na “effet sécondaire” fa ohatran’ny tambavy sotroina isan’andro rehefa marary ireny, hoy izy. Lasa siantifika tanteraka ny mpanao politika, fa ny tena mpikaroka sy mpitsabo no mbola tsy resy lahatra. Tsy arakaraka ny famendrofendroana sy ny fanambaniana ny vokatra Malagasy fa tena liana sy mazoto ny vahoaka Malagasy, hoy ity minisitra ity. Na izany aza dia mbola misy ny olona miahiahy hatramin’ireo mpikaroka ara-pahasalamana, ary tsy tokony hifanomezan-tsiny io kanefa sokajian’ny fitondrana ho tsy fitiavan-tanindrazana ny tsy faharesen-dahatra.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana