Dans la męme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalĂ na nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanĂ na ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanĂ na ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toetr'andro mangatsiaka "Tena hampahazo vahana ny coronavirus"

24/04/2020

Misy ifandraisany tokoa ny toetr’andro sy ny fahasalamana, hoy ny Dr Razafindramavo Lalao Madeleine ekipa teknika avy amin’ny Sampandraharaha fahasalamana sy tontolo iainana .

 

 

 

 Singa iray mamaritra ny fahasalamana ny toetr’andro miaraka amina singa maro samihafa, toy ny fomba amam-panao mahazatra, ny sakafo hohanina, ny fisiana fotodrafitrasa na tsia,… Misy fiantraikany mivantana ny maripana, izay raha mafana loatra dia mety hahafaty. Eo ihany koa ny tsy mivantana toy ny rotsak’orana sy hamandoana izay mamaritra ny firongatry ny moka miteraka tazo, ny fivalanana,… Tena misy ifandraisana mihitsy amin’ny toetr’andro ny coronavirus satria anisan’ny aretin’ny taovam-pisefoana. Rehefa miakatra ny maripana sy ny rotsak’ orana dia mahamora ny firongatany sy ny fifindrany, saingy mora maty izy satria tsy mahazaka taramasoandro. Tena tiany ny hatsiaka eo amin’ny 3 hatramin’ny 17°C, ary efa nohamafisin’ny fikarohan’ny manam-pahaizana fa ny 90% amin’ny olona tratry ny coronavirus dia nitranga tamin’ny toerana ambany ny maripana. Tiany ihany koa ny hamandoana. Tena mahazo vahana io amintsika hiditra amin’ny vaninandro ririnina io, ka tokony hitandrina sy hakarina hatrany hafanan’ny vatana. Efa fantatra ny toetrany fa tsy mahazaka mafana ka mila manao mafana. Samy manana ny hery fiarovany, ary rehefa mangatsiaka ny andro dia mihena amin’ny ankampobeny io ka tokony hakarina. Mila sakafo be otrikaina maro loko izay zakan’ny vatana sy amin’ny antonony. Mila tohizana hatrany ny fanasana tànana, ary mila mihiboka satria miha mihena ny rivotra maloto avoakan’ny fiara eny amin’ny arabe. Ilaina ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana