Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanerena hisotro tambavy Mifanohitra amin'ny lalàmpanorenana

24/04/2020

Tenin’ny Filoham-pirenena ny hoe tsy maintsy misotro ilay tambavy covid organics ny mpianatra miverina an-tsekoly, ary ajanony any an-trano rehefa tsy ampisotroina.

 

 

 

Nisy ny mpanabe tsy nametraka olana tamin’ireo ankizy tsy nisotro, nisy ny sekoly nasain’ny mpizara nody avy hatrany ny mpianatra, toy ny tetsy amin’ny LMA Ampefiloha ny alarobia teo izay am-polony mahery no nandà fa hoe tsy mahazaka tambavy. Nitaraina tamin’ny mpanabe ny sasany, saingy tsy maintsy mitondra taratasy fanamarinana na “certificat médical” vao miverina mianatra. Raha miverina amin’ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny IMRA, dia mila fankatoavana sy fenekena an-tsitrapo. Alefa tsikelikely dia hampitomboina amin'ny maha TEST azy. Misy ny tsy mametraka olana ny ray aman-drenin’ny mpianatra, fa tao ihany koa ny ray aman-dreny misafidy ny tsy handefa mihitsy ny zanany hianatra noho ny fandavana ilay tambavy, ary tena misy maneho fa aleony very taona iray ny zanany. Tokony halalaka ny tsirairay na hisotro na tsia, fa tsy hafangaro sy atao takalon’aina amin’izany ny fianarana izay zo fototra. Raha ny lalàmpanorenana, dia ambaran’ny andininy faha-8 fa tsy misy olona azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin’ny fomba tafahoatra sy tsy mendrika manetry ny maha-olombelona. Voarara indrindra ny manery olona iray hanaovana andrana ara-pitsaboana na ara-tsiansa raha tsy nahazoana ny fanekeny malalaka izany, izany hoe tsy an-tery . Ao anatin’ny hamehana anefa isika, ka mety sokajian’ny mpitondra ho takon’izany ny lalàmpanorenana. Sady tsy momba no tsy manohitra, fa raha toa ka misy ny tsy resy lahatra dia malalaka sy zon’ny fanjakana ny mamolavola fomba sy paikady vaovao mafonja kokoa hoenti-mandresy lahatra. Efa nampidirina tao an-tsain’ny olona anefa ny hoe: tsy maintsy, izay efa fanerena. Samy manana ny heveriny fa rariny sy hitsiny sy ny marina aminy rahateo na ny mpomba na ny tsy mpomba ny fisotroana sy fampisotroana azy io, ka tokony halalaka ny safidin’ny tsirairay izay tsy misy omen-tsiny na ny andaniny na ny ankilany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana