Dans la mme rubrique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

03/06/2020

93 tapitrisa dolara mahery ny trosantsika amin’ity taona ity tokony haloha, ka 12 hatramin'ny 13 tapitrisa isam-bolana ny tokony ho fanefana izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy maintsy mampitombo ny trosa isika »

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

03/06/2020

Minisitra dimy no nanao ny tatitra ny zava-bitany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny CCI Ivato.

Antenimieram-pirenena Minisitra 5 no nanao tatitra omaly

Hamaky ny tohiny...

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

03/06/2020

Ny alin’ny alatsinainy 01 jona teo tamin’ny 9 ora no nandrenesanay fa voasambotra ny filohan’ny fikambanana Soluma, Berija Ravelomanantsoa , hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Riana Rakotonirina.

Berija Ravelomanantsoa Tazonin’ny zandary eny Fiadanana

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

03/06/2020

Fanamarihana hatry ny ela tsy ny fahamatorana ara-potoana ho an’ny fanaovana fandaharana manokana mikasika ny hamehana ara-pahasalamana.

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…

Hamaky ny tohiny...

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

03/06/2020

Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ ny praiministra omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely.

Loholona-Governemanta Nafana ny adihevitra teny Anosikely

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiainam-pirenena Maro ny zavatra tsy voafehy

23/04/2020

Andro fahaefatra amin’ity andiany fahatelo amin’ny hahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara ity isika anio.

 

 

 

 

 Raha ny tsikaritra tao anatin’izay andiany roa voalohany izay ka hatramin’ny omaly aloha dia tsy voafehy ny toe-draharaha eto Madagasikara. Hita ho mitombona tanteraka ireo voambaran’ny maro fa mbola eo ny fitahian’Andriamanitra matoa isika mbola azo lazaina ho hieren-doza amin’ity areti-mandoza COVID 19 ity hatreto. Maro ireo fianakaviana mbola tsy nahazo ny anjara fanampiany teny anivon’ny fokontany. Efa niaraha-nahalala rahateo moa ny olana ara-piarahamonina nisy tamina toerana maro mikasika ny fananganana ilay komity natao hitsinjara izany na ny Loharano. Aiza ilay arotava zaraina hoe tsy atao taran’ny faha 27n’ny volana izao? Tsy ho vita mihitsy vesa  tsy misy tompon'andraikitra manam-piniavana hanatontosa ilay hoe fizarana fanampiana hitetezana tokantrano? Nandeha ny fanentanana ny amin’ny tokony hijanonana an-trano saingy toa raha niteny ny filoham-pirenena hoe anaty fihibohana amin’ny ampahany isika dia toa hafa no nandrenesan’ny malagasy maro azy satria dia mbola feno fitangorongoronana ihany teny rehetra teny. Raha niteny indray ny filoha hoe averina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainam-piarahamonina malagasy dia toy ny hoe miverina tanteraka no nandrenesan’ny ankamaroan’ny malagasy azy. Nahakivy ireo izay mba niezaka niaro ny tenany mihitsy ny fahitana fitohanan’ny fifamoivoizana omaly sy ny fitakisinana tanaty fiara fitateram-bahoaka. Mbola tsy voazara tamin’ireo mpianatra hanala fanadinana koa ilay tambavy nolazaina fa tsy maintsy sotroiny, raha ny hita teny amin’ny CEG Avaradoha omaly ohatra, nandritry ny fiverenan’ireo mpianatra mpanala fanadinana an-tsekoly. Tsy hay hoe hanomboka oviana izany izay fizarana matotra ny karazam-panampiana nampanantenaina izay fa ny irariana izany dia ny hoe enga anie mbola hitohy ny fitahian’Andriamanitra!

 J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana