Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Tsy nisy tranga vaovao tao anatin’ny telo andro

22/04/2020

Toy ny tamin’ny alahady sy alatsinainy teo, dia tsy nisy ny tranga vaovao nahatiliana ny tsimokaretina coronavirus omaly talata ka mijanona ho 121

 

  ny tranga. Niampy 3 ny sitrana ka 44 ny totaliben’izy ireo, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. 77 izany no mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy ny trangana fahasarotana mety haningotra ny ain’ny marary. Manan-kery sy mitoetra avokoa ny fepetra rehetra. Hitombo ny olona hifamezivezy manomboka anio. Tokony ho ireo olona voatery hiasa sy hianatra ihany no afaka hivezivezy fa tsy hoe miverina ny fiara fitaterana, dia handeha hitsangatsangana. Tokony ho olona manao saron-tava avokoa no ho hita eny. Tsy tokony hesorina mihitsy ny saron-tava, fa famitahan-tena ny fampidinana izany ho eo amin’ny saoka. Tokony ahitana ny fanamorana ny fanasana tànana daholo na any amin’ny birao, na any amin’ny sekoly, na eny amin’ireo olona miasa tena. Rehefa miverina ao an-trano, dia tokony hesorina ny kirary, ampandalovina amina ranon-tsavony. Rehefa voahaja izany tsy tokony hisy hatahorana. Atao fahazarana ny fisian’ny elanelana sy ny tsy fifampikasohana na aiza na aiza, toy ny eny ambony taksibe. Tokony hanaja izany ny olon-drehetra. Mila mitandrina ireo olona sokajiana ho marefo toy ny mihoatra ny 70 taona, manana aretina mitaiza,.. ireo olona manana toe-batana vaventy ihany koa dia efa voamarina ara-tsiantifika fa mora handairan’ity aretina ity. Ilana fitandremana be sy fadiana ihany koa ny fihinanana fanafody “anti-inflammatoire” tsy nahazoana torolalana sy toromarika avy amin’ny dokotera satria tena mampihena ny hery fiarovana izany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana