Dans la mme rubrique

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

03/06/2020

Tontosa tamin’ny alatsinainy 01 jona 2020 ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny toeram- pitsaboana ao amin'ny Hopitaly annexe Ambohitranjavidy Moramanga izay toerana handraisana an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any amin’ity distrika ity,

Ady amin’ny Covid 19 any Moramanga Natolotra ofisialy ny hopitaly ao Ambohitranjavidy

Hamaky ny tohiny...

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

03/06/2020

Mifarimbona tanteraka amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina covid-19 mba hahatontosa ny fanamby : “Distrikan’i Fandriana lavitry ny coronavirus” ireo tsara sitra-po any amin’ity toerana ity.

Vahoakan’ny distrikan’i Fandriana Mifarimbona miady amin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

03/06/2020

Misy ny ezaka mba hanaraka ny fenitra ny fitiliana. 70 ny “respirateurs” nafarana hiatrehana ny coronavirus.

Ady amin’ny coronavirus Nanafatra respirateurs 70 ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fisian’ny coronavirus Lasa mikorontan-tsaina ny Malagasy

22/04/2020

Efatra ireo aretina tsy mifindra tena manamarika ny Malagasy, dia ny homamiadana ka lohalaharana amin’izany ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nony izay 3,90%

 ny tahan’io eto Madagasikara, ny diabeta, ny fiakaran’ny tosi-drà ambony na ny “hypertension artérielle” izay ny 40% amin’ny Malagasy no tratran’io, ary ny fahaefatra dia ny aretin’ny taovaom-pisefoana mitarazoka, hoy ny Dr Rakotoarison Vincent lehiben'ny sampandraharaha misahana ny aretina tsy mifindra ao amin'ny ministeran'ny fahasalamana. Ireo no aretina lehibe izay toa tsinontsinoavintsika, kanefa tena mahafaty. Miteraka olana eo amin’ny fiarahamonina, ary mitombo izany amin’izao fisian’ny coronavirus izao. Mihoatra ny 100 ny voa izay miteraka tebiteby sy ahiahy amin'ny olona. Lasa miteraka rarin-tsaina na Stress eo amin'ny Malagasy izany. Samy tratran'izy io, na ireo mararin'ny coronavirus na ny olona any anaty fiarahamonina. Lasa mandringa ny fahasalamana satria mikorontana ny saina, lasa kizitina sy mototra na miavona, tsy mazoto homana.Ireo no famantarana fa tratry ny rarin-tsaina ny olona iray, hoy ny fanazavan'ity mpitsabo ity. Azo atao tsara ny manantona toeram-pitsaboana ahitana ireo manampahaizana momba ny fikorontanana ara-tsaina.Tsara ihany koa ny miezaka mandamin-tsaina sy tsy mora taitaitra amin'izay zavatra re sy hita satria lasa mampandringa ny fahasalamana. Misy karazany maro ireo rantsam-pitsaboana, ka ny neo-phsychiatrie dia manana manampahaizana 7 i Madagasikara, manana 10 ho an’ny psychiatrie, 33 ireo dokotera manam-pahaizana manokana momba ny fahasalaman’ny saina, ergo thérapeute 8 ary psychologue miisa 18.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana