Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Boriborintany 6 eto Antananarivo Efa samy misy coronavirus avokoa

21/04/2020

Nitondra tatitra lalindalina kokoa momba ny fivoaran’ny Coronavirus eto Madagasikara Dr Armand Rafalimanantsoa Directeur de la Veille Sanitaire, surveillance épidemologique et riposte eo nanivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana.

 

 

Ny 19 martsa no nahitana voalohany ny coronavirus teto Madagasikara. Hatreto dia mahatratra 121 ireto hita fa marary nitondra ny tsimokaretina. Ny tao anatin’ireo dia nisy ireo nitondra ny valanaretina avy any ivelany na ny « cas importé ». Nanomboka ny 25 martsa kosa no nanomboka nisy ny fifamindrana teto an-toerana na “cas contact”. Hatramin’ny faha-8 aprily dia mbola nisy izay “cas importés. Hita ho aretina tsy mifidy olona fa na lahy na vavy dia mety ho voa. Ny lehilahy no somary nanatombo kely. Raha salan-taona dia saika hita daholo, fa ny somary nisongadina dia ny 25 taona hatramin’ny 60 taona mahery. Ireo rehetra hita hoe: “positives” satria isika nametraka ny hoe 14 andro natao “en quarantaine” dia tena tafiditra tao anatin’ilay hoe tao anatin’io no hit any fitondrany ny tsimokaretina, fa vitsivitsy no taorian’izay. Ny taha ankampobeny ho an’ireo voa hita tamin’ny fitiliana na ny “taux de positivité” dia manodidina ny 5% amin’ny ankapobeny na misy fotoana aza mahatratra 6%, misy 4,8%. Tsy dia mahagaga izany satria isika miezaka mitady ilay otrik’aretina. Somary ambony rahateo ny tombana ahitana ny aretina noho ny fanaovana fikarohana mitady an’izay mety ho voa manodidina ireo olona efa voatily fa voa. 559 ny olona nifampikasoka vita fanadihadiana izay azo ambara fa vitsy, ka teo no nahitana io 5%. Misy ireo tranga tsy maneho soritr’aretina, fa misy ny mampiseho ka 121 no “positif” ka ny 91 tsy nahitana soritr’aretina. Antananarivo Atsimondrano, Fort Dauphin, dia isan’ny nahitana tranga misy soritr’aretina. Teto Antananarivo no nahitana maro ireo “cas importé” ary tsy mahagaga raha teto ihany koa no maro ireo “cas contacts”. Nahatratra 45% tamin’ny “cas contact” teto Antananarivo Renivohitra avokoa, ka ny Boriborintany voalohany sy faharoa no tena nahitana an’ireo, arahin’ny faha-efatra sy faha-enina, ary misy ihany koa ny Boriborintany faha-3 sy faha-5 saingy kely raha mitaha amin’ireo voalohany, raha ny fanazavan’ny Dr Armand Rafalimanantsoa. Mbola vitsy ny vita fitiliana, ka tokony hitandrina hatrany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana