Dans la mme rubrique

Fahantrana lalina

26/05/2020

Midina ny fahefa-mividin’ny valalabemandry. Maro rahateo ireo very asa vokatr’izao krizy izao.

Fahantrana lalina

Hamaky ny tohiny...

Atao haingam-pandeha daholo !

23/05/2020

Tsy vao sambany amin’izay heverina ho vakoka nokitihan’izao fitondrana izao akory ny lapan’i Manjakamiadana, raha ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no akana ohatra.

Atao haingam-pandeha daholo !

Hamaky ny tohiny...

Kimaizimaizina…

22/05/2020

Mihazakazaka ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nambaran’ny fitondram-panjakana tany am-boalohany fa atao ao anatin’ny

Kimaizimaizina…

Hamaky ny tohiny...

Sahirana manetry tena

20/05/2020

Hatramin’izay nanomezana fahaleovantena ny firenena izay ka hatramin’izao izany aloha dia hita ho toetra fototry ny mpitondrantsika nifandimby ny

Sahirana manetry tena

Hamaky ny tohiny...

Rehefa sahy dia sahy !

19/05/2020

Naherihery ny fitenin’ny Filoham-pirenena Malagasy tato ho ato manoloana ny kihana ataona firenena na vondrona firenena.

Rehefa sahy dia sahy !

Hamaky ny tohiny...

Milalao afo

18/05/2020

Efa hita, hono, ny fanafody kanefa ny marary rehefa jerena vao miha mitombo. Ilay fanentanana tsy hivoaka ny trano moa izany efa naman’ny tantara sisa.

Milalao afo

Hamaky ny tohiny...

Aza atao bontolo !

16/05/2020

Any amin’ny fitondram-panjakana ny baolina amin’ny fanapahan-kevitra horaisina momba ny ho avin’ny firenena.

Aza atao bontolo !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Avadiho ny pejy maloto

21/04/2020

Hatramin’izay dia nohamavoina hatrany ny zavatra vitan’ny Malagasy, saingy afaka maneho isika ankehitriny, fa tena mahavita azy sy afaka mametraka ny anarana eo anatrehan’izao tontolo izao.

 

Tsy hoe rehefa vita Malagasy akory dia ratsy satria nozanahana ara-tsaina isika hitia ny an'ny hafa mialohan'ny antsika. Porofon’izany ny fisian’ny Ivon-toeram-pikarohana IMRA naorin’ny Profesora Rakoto Ratsimamanga, izay sokajiana ho Malagasy manana fahalalana tsy manam-paharoa na “savant”. Na ny vahiny aza niaiky ny fahaiza-manaony, saingy ny namingana sy namotika ary namono azy no natao tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny, afaka mbola mioty ny ezaka sy finiavana nimatimatesany isika. Lesona lehibe azo tsoahina ao anatin’izao ny hoe: mba afaka mametraka ny anarany ny Malagasy ary fanohitra lehibe hahafahantsika manome lanja ny orinasantsika, ny manam-pahaizana sy avara-pianarana eto amintsika izao. Ahafahantsika mahatsapa tena fa hay isika tsy olonolom-poana eo anatrehan'izao tontolo izao. Tsy tokony hijanona amina lafin-javatra na sehatra iray fa tena ny orinasa Malagasy, ny mpandrahara Malagasy no tohanana sy hatao izay hisandratany. Ny kolontsaina novoizina teto mantsy dia ny fifamotehana, ny fifaminganana, ny fifampialonana, hany ka nifanao toy ny valala an-karona isika. Rehefa orinasa Malagasy no miroboroboro, dia dorana, lazaina fa nangalatra ny tompony, lazaina fa nanao kolikoly,… hany ka ny Malagasy ihany no misitona hidina ny Malagasy tahaka azy fa ny sinoa sy ny karana mitombo ihany ny ambaindahin’ny hareny. Mbola miharihary io foto-pisainana sy fomba fiady ankehitriny, ary hita taratra ao anatin’ny politika. Firifiry moa ny mpandraharaha Malagasy manana ny maha-izy azy mety afaka hanome asa sy hanavotra fianankaviana an’aliny no any am-ponja ankehitriny? Rehefa natomboka ny fanomezan-danja sy fametrahana ny hasin’izany hoe: finiavana tena Malagasy izany dia mila hatsahatra manontolo ny hambo-po diso toerana, ka mba tena hifamelona amin’izay isika fa tsy hifamono lava eto. Avadiho ny pejy maloton’ny politika!

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana