Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Orinasa Ambatovy Nanolotra akanjo fiarovana miisa 3000 ireo mpitsabo

20/04/2020

Taorian’ny nanomezany akanjo fiarovan-tena 5 200 ho an’ny Tompon'andraiki-panjakana sy ny mpiasan’ny fahasalamana tao Toamasina, Brickaville, Moramanga, sy ho an’ny

 

 

 Kaominina Antananarivo Renivohitra, tamin’ny fiandohan’ity volana aprily ity, dia nanohy ny fandraisany anjara amin’ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19 ny orinasa Ambatovy. Nanolotra akanjo fiarovan-tena miisa 3000 ho an’ny hopitaly eto Antananarivo ny orinasa ny sabotsy teo. Afaka manaron-tava sy loha ireto akanjo fiarovana ireto ary afaka miaraka tsara amin’ny arovava fifohan-drivotra. Miaro amin’ny mety fivangongoan’ny aratra noho ny fikirakirana fitaovana maro samihafa na « traitement antistatique » sady miaro koa amin’ireo singa madinika mety hateraky ny « radioactivité» (EN 1073-2, sokajy faharoa) sy ireo singa mitondra tsimokaretina (EN 14126) ka mahafeno ny fenitra teknika sy ny lafiny fahasalamana takiana, hoy ny fanazavana. Ireo mpiasan’ny fahasalamana voalohan-daharana, mitsabo ireo mararin’ny COVID-19 sy ireo manao fitiliana, ary ireo rehetra manana andraikitra mivantana ka mety atahorana hifindran’ny Covid-19 no hampiasa ireto akanjo fiarovana ireto, mba hiarovany tena amin’ny tsimokaretina. Ho fampahatsiahivana ary tafiditra indrindra ao anatin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19 dia manampy ireo fanomezana efa nataon’Ambatovy ity fanolorana akanjo fiarovana ity, ka isan’ireny ny akanjo fiarovana 5 200 voalaza tetsy ambony, fitaovana sy kojakoja harifomba momba ny fahasalamana natolotra ny Hôpitalin’i Toamasina sy Moramanga, sakafo indray mihinana an’arivony mandritra ny 15 andro ho an’ny mpiasan’ny CHU Morafeno sy ny « Centre de commandement opérationnel » ao Toamasina, ary ho an’ireo mpiasa miandraikitra ny « barrages sanitaires » eny amin’ny Lalam-pirenena faha 2 (Marozevo sy Beforona), hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana