Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Vololontiana Hanta "Tsy haharaka isika raha be loatra ny marary"

20/04/2020

Nisy tranga telo vaovao voatily fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus ny sabotsy teo, ary iray kosa omaly alahady ka nampiakatra ny isa ho 121.

 

 

Lehilahy avokoa izy ireo 3 voalohany ka ny roa eto Antananarivo : 41 sy 62 taona, ary iray kosa any Antsinanana izay 37 taona. Ny iray omaly kosa dia lehilahy 25 taona mipetraka eny Ambatokaranana Antananarivo, izany hoe tsy lavitra an’Ampasapito sy Ambohimirary iny io toerana io. Tsy tokony ho voafitaka hoe mbola tsy voatonona ny fokontaninay, hoy io Profesora io. Toerana maro no efa nahitana coronavirus teto Antananarivo raha tsy hilaza afa-tsy: Isotry, Faravohitra, Antetezanafovoany, Alasora, Ampitatafika,… Nisy 2 sitrana ny sabotsy ary 4 ka niakatra ho 39 izy ireo, ka raha ny antontan’isa hatramin’ny omaly dia 32,23% ny taham-pahasitranana, izay azo sokajiana ho ambany. 82 izany ireo olona mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy ny marary ahiana ny ainy. Ny olona atao fitiliana dia ireo nifanerasera tamin’ny marary, ka na misy soritr’aretina na tsia, dia hatao an’izay avokoa aorian’ny fitadiavana azy. Eo ihany koa ireo olona izay misy soritr’aretina miantso ny 913. Mbola hampitomboina ny fitiliana, ary efa miomana ny ekipa rehetra any amin’ny laboratoara sy ireo manana andraikitra amin’izany, raha ny fanazavana. Mbola ambany dia ambany ny tahan’ny fanaovana fitiliana eto amintsika, izay mazava fa vitsy ny olona voamarina fa voa. Miisa 2 152 ny fitiliana (PCR) vita teny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM araka ny tatitra nentin’ny Pr Solofomalala Gaëtan Duval, Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny zoma lasa teo.¬ Olona efa nifampikasoka tamin’ilay otrikaretina Covid-19 izy ireo. Nanamafy ny tokony hihibohana sy hanajana ireo fepetra samihafa ny Pr Vololontiana Hanta izay naneho, fa raha mitombo ny antontan’isa dia tsy haharaka isika, ka aleo misoroka toa izay mitsabo.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana