Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Hita ny fanafodin'ny Coronavirus Hiverina tsikelikely ny asa sy ny fianarana

20/04/2020

Raha manasitrana olona maro ny chloroquine dia tsy misy antony tsy hahafahantsika manasitrana izany amin’ny alalan’ny raokandro Malagasy.

 

 

 

 

Ankehitriny dia afaka milaza isika fa nahomby ary nahitam-bokatra ny andrana nataontsika amin’ilay fanefitra hoentintsika misoroka hiatrehana ny coronavirus, izay novokarin’ny IMRA. Nahitana vokatra tsara amin’ireo nararin’ireo nararin’ny covid-19 teto Madagasikara izy io, ary afaka mametra sy mampihena ny fiantraikan’izany amin’ny vantan’olombelona, hoy I Andry Rajoelina Filoham-pirenena tamin’ny kabariny omaly halina. “Covid Organics” no anarana nomen’ny siantifika azy, ka efa ao anatin’ny famokarana isika izao. Anio alatsinainy fampahafantarana azy amin’ny fomba ofisialy azy io. Hanao andrana amina toeram-pitsaboana na hanao “essai Clinique” amin’ity herinandro ity. Ny zava-maniry “artemisia” no akora fototra io, izay ny Pr Ratsimamanga no nampiditra azy voalohany tamin’ny taona 1975. Isika no mamokatra sy manana tahiry betsaka aty Afrika sy manana ny kalitao tsara indrindra maneran-tany. Manamafy ny fiarovana ny vatana, misoroka sy miaro amin’ny tsimokaretina, miaro ny avokavoka,…, hoy I Andry Rajoelina. .

HIVERINA TSIKELIKELY

Ezahina atomboka tsikelikely ny famerenena ny andavandrom-piainan’ny olona, ka amin’ny 6 maraina hatramin’ny 1ora tolakandro ny asa aman-draharaha. Ireo monina eto Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina, dia tsy afaka mivezivezy miala amin’ny faritra misy azy. Mihantra ny tsy fahafaha-mivezivezy amin’ny alina (9ora alina-4ora maraina). Tsy maintsy manao arovava avokoa, ary izay tsy manana dia hisy fizarana maimaimpoana, dia hisy fizarana eny amin’ny fokontany mandritra ny herinandro. Ireo olona rehetra mivoaka ny trano ka tsy manao arovava manomboka ny 27 aprily dia ho voasazy hanao aza mahasoa ny besinimaro: mamafa, manadio,… Ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana ofisialy, dia miverina an-tsekoly na miankina na tsia. Ny Terminale sy ny 3ème dia ny faha-22 aprily, ny 7ème dia ny faha-27 aprily. Hizarana arovava avokoa ny mpianatra rehetra. Hisotro ny Covid Organics avokoa, mpianatra iray dabilio iray. Ho an’ny mpiasam-panjakana, dia hapetraka ny “service minimum” ka ny minisitra sy ny ekipany no mandrindra izany. Miverina mandray ny asany ireo miasa tena manomboka ny 22 aprily fa tsy maintsy manaja ny lamina rehetra. Olona 5 raha be indrindra raha efitra kely, elanelana iray metatra. Mitsahatra amin’ny 1ora tolakandro. Afaka misokatra ny restaurant hatramin’ny 1ora, ary mitsinjara sakafo any amin’izay manao kaomandy aorian’izay. Ny Fiarakaretsaka dia mahazo mitondra olona 3, tsy mahazo asiana olona ny seza volamena ho an’ny taksibe, tsy maintsy manao arovava na ny mpandeha na ny mpamily, 18 raha be indrindra ny olona entina. Mbola miato avokoa ny taksibrosy miainga any eto Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa. Mbola voarara ny famoriam-bahoaka, fety, fanatanjahantena mahavory olona mihoatra ny 50,….

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana