Dans la męme rubrique

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

03/06/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana narahana fitsoahana andraikitra teny Ambodivonkely Ambohimanarina ny alatsinain’ny Pentekosta lasa teo tokony tamin’ny 9 ora sy 20 minitra alina.

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

03/06/2020

Hampidirana anisan` ireo hazo ho voalena amin` ny taom-pambolena nasionaly manaraka ny Bambou, araka ny fampitam-baovao navoakan` ny ministeran` ny tontolo iainana sy ny ala (MEDD).

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

Hamaky ny tohiny...

Sambava Niakaran’ny voay ny lapan’ny Tanàna

02/06/2020

Tonga amin’ny ara-bakiteny hoe nikoropaka ny tao an-dapa ny zava-nitranga tao amin’ny lapan’ny tananan’I Sambava ny sabotsy teo.

Sambava Niakaran’ny voay ny lapan’ny Tanàna

Hamaky ny tohiny...

Behenjy Fiara kely tratra nitondra olona an-tsokosoko

02/06/2020

Misy hatrany ny olona mivoaka an-tsokosoko ny faritra misy azy amin’izao. Fiara kely iray indray no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Behenjy saika hivoaka

Behenjy Fiara kely tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

Hamaky ny tohiny...

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

29/05/2020

Misaona ny faritr’Analanjirofo satria dia nodimandry omaly maraina ny lehiben’ny faritra vonjimaika, Honoré Tsaramandihy.

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Allemagne Manohana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

17/04/2020

Aro-tava 130 000 isa, vary 2 200 gony, menaka 32 500 tavoahangy, gels désinfectants 41 000 isa, savony 5 200 isa, baka miisa 610, baka misy kodiarana 3, sarety 3, afisy A3 COVID-19 miisa 720 000,

 

 

 

  sy fitaovana maro samihafa… no natolotry ny masoivohon` i Allemagne ho an` ny Kaominina Antananrivo Renivohitra (CUA) omaly. Fanomezana entina atrehina ny valanaretina COVID-19 noho ny ezaka nataon` ny CUA atrehina izany. « Voninahitra ho ahy no misolotenan` ny governemanta alemaina ho mariky ny firaisankian` ny vahoaka alemaina an` ny vahoka Malagasy manoloana ny Covid-19. Fantatray fa ny governemanta Malagasy sy ny Kaominina Antananrivo Renivohitra dia manao izya afany amin` ny fiatrehana ity aretina ity… Na dia misy aza ity valanaretina ity dia tsapa tokoa fa mifandray am-po ny firenena rehetra ary tsy misy intsony ny sakana manoloana izany »hoy SEM Michael Derus nandritra ny lahateniny omaly tetsy amin` ny lapan` ny tanàna Analakely. Ady iombonana ity ary mila fandraisana andraikitra ary tsy misy anavahana izany, hoy ihany izy.

 Marigny A

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana