Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Raokandro Malagasy Tena mandeha be ny tsena

15/04/2020

Raha saika maina avokoa ny ankamaroan’ny tsena amin’izao noho ny fahasahiranana ateraky ny fihibohana dia mifanohitra amin’izay ny tsenan’ny mpivarotra tapa-kazo sy raokandro Malagasy.

 

 

Hatramin’ny 23 Aprily no mankaty fotoana nidirantsika tao anaty fihibohana mantsy dia hifandrombahana ireo kazarana ravi-maintso mampiavaka antsika toy ny ravintsara, ny kininim-potsy, ny mandrava sarotra karazana zava-maniry voalaza fa miady amin’ny tsimok’aretina coronavirus . anisan’ny efa nahasitrana ireo olona narary sasantsasany nijoro vavolombelona. Ho an’ny ravintsara manokana raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia mahalafo 10.000 Ar na 20 fonosana isan’andro izy ireny raha kely; 500 Ar no hamarotany ny fehezany iray lehibe.Hampiasaina hanaovana evoka hafangaro amin’ny kininim-potsy hanadiovana ireo lalan-drivotra nahiana ho nidiran’ny mikraoba. Toraka izany koa ity farany izay vidina 500 Ar ihany koa ny iray fehezana raha 1.000 Ar vao mahazo mandrava sarotra. Karazan-kazo iray lehibe ity farany. Kikisana no fampiasana azy ary hafangaro amin’ny rano sotroina nefa mety havadika ho sirop iadiana amina tsimokaretina maro samihafa ihany koa. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony nahatongavan’ilay tera-tany vahiny mpizahantany teny Isotry ny fividianana tapa-kazo sy raokandro iadiana amin’ny coronavirus tahaka izao. Efa nahafantatra mantsy izy fa tena manana ny maha-izy ny Malagasy eo amin’ny resaka zava-maniry entina manasitrana aretina maro.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana