Dans la mme rubrique

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

04/06/2020

Trangana coronavirus 63 be izao no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, izay antontan’isa betsaka indrindra tao anatin’ny 1 andro hatramin’ny

Midangana hatrany ny isa 63 indray voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

04/06/2020

Fiara taxibe zotra 015 iray no tratran'ny polisin'ny boriborintany fahadimy tsy nanara-dalàna nitondra olona mipetraka amin'ny strapotin omaly tetsy Mahamasina.

Tsy fanajana fepetra Miha maro ireo taxi be mampiasa seza afovoany

Hamaky ny tohiny...

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

04/06/2020

Ny vakisiny dia fitsaboana amin’ny alalan’ny fanalefahana karazana aretina hampidirina anaty vatan’olombelona mba hahafahan’ilay vatana mamorona hery fiarovana amin’iny karazana aretina iny, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny klinika Saint Thomas, ny Dr Marius Ramaroson.

Vakisiny, tsindrona, CVO Manazava ny mpitsabo

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

04/06/2020

Tsy « bacterie » na « parasite » ny covid-19 fa virus, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana

Andrana tsindrona faobe Tambazana 3000 miliara dolara ny mpitondra Afrikanina ?

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

04/06/2020

Karaoke iray no mbola tratra nisokatra ihany tany Antsirabe na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika.

Antsirabe Voasazy nanadio tanàna ireo mpanao karaoke

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

03/06/2020

Miisa 19 ireo trangana coronavirus teto Madagasikara ho an’ny fitiliana natao ny 1 jona, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana omaly. 192 ny fakana singa sy fitiliana nataon’ny IPM ka 20 ny tany Toamasina,

Coronavirus 9 marary mafy any Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

03/06/2020

Nosamborin’ny mpitandro indray ny Pr Ralandison ary nentina aty Antananarivo, raha ny vavao avy any Toamasina, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly hariva.

Pr Ralandison Stéphan Nosamborina indray ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mbola anaty loza ny firenena Niakatra ho 108 ny voan’ny coronavirus

15/04/2020

Misy olona voatily vaovao miisa 2 mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ka manome ny antontan’isa rehetra ho 108, araka ny tatitra mahazatra fanaon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

Misy kosa ny 2 sitrana afaka nivoaka avy teny amin’ny CHU Anosiala. Mijanona ho 85 no tazonina ary 23 no sitrana tanteraka. Tsy nisy marary misy fahasarotana ny toe-pahasalamany ho an’ireo mbola manohy ny fitsaboana. Lehilahy 57 anankiroa samy avy eto Antananarivo izy ireo, izay eny Befelatanana ny iray ary eny Anosiala ny iray. Samy vokatry ny fifampikasohana kosa no nahavoa azy ireo. Tamin’ny voalohany isika nanao fitiliana faobe ireo olona tonga tamin’ny fiaramanidina ny 11-19 desambra. Nisy ihany koa ireo olona nifanerasera tamin’izy ireo notiliana.

Any anaty fiarahamonina

Ankehitriny, efa andro maro no niparitaka any amin’ny fiarahamanonina ny coronavirus. Izay no nanohizana ny fepetra, ka isan’izany ny fihibohana. Efa nisy rahateo ny tranga izay olona tsy fantatra mazava hoe avy aiza no nahazoany ny coronavirus. Midika io fa tena mbola tsy afa-doza ny firenena na misy aza ny sitrana satria miha tsy voafehy sy sarotra karohina ireo voa noho ny fifampikasohana. Mandeha hatrany ny fikarohana ireo hoe iza no nifampikasoka, ka tonga hatramin’ny fitetezana tokantrano. Misy ihany koa ny olona miahiahy amin’ny toe-pahasalamany ka tonga manantona. Ny zava-dehibe tokony ho tsapan’ny tsirairay dia efa eny amin’ny fiarahamonina ny tsimokaretina, ary tsarovy fa tsy voatery hisy soritr’aretina vao mamindra. Aza misioka isika raha tsy tafavoaka ny ala hoe: misy ny sitrana, fa mbola tsy afa-doza isika, hoy ny fanazavana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana