Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fa ahoana mihitsy e ? Tsy nanaja fihibohana ireo zanaky ny Filoha

14/04/2020

Niteraka adihevitra lehibe ny sary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ny sabotsy lasa teo momba ny zanaka telo mianadahin’ny filoham-pirenena nandoko ny EPP teny Ambatobe sy namboly hazo teny an-toerana.

 

 

Ao anatin’ny fotoana fihibohana isika ankehitriny, ary ny filoham-pirenena no isan’ny tsy sasatra nanentana ny vahoaka Malagasy hanaja izany. Ny minisitry ny atitany Tianarivelo Razafimahefa sy ireo mpiditra an-tsehatra amin’ny haino aman-jery miara-manoja mila ho tataka ny vavany amin’ny fanentanana hoe: mijanona ao an-trano fa iray ny safidy dia na ianao ho velona na ianao ho faty. Ny zanaky ny Filoham-pirenena kosa mandeha mandoko trano, mamboly hazo, maka sary mifampitakosona tsy misy fanajana ilay iray metatra. Tsy sanatria fitia te hitsikera, fa io ilay hoe miainga avy any ambony foana ny ohatra. Ekena dia ekena tokoa hoe te hanao zavatra, te hanao asa soa, ary te haneho amin’ny vahoaka fa dieny kely dia mandray andraikitra ny zanaky ny Filoham-pirenena. Mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny zavatra resahin’ny Filoha ve sa mametraka azy ho toy ny mpitari-bato vilam-bava ka hafa no lazain’ny vava ary hafa no tondroin’ny molotra? Zavatra tena maika tsy maintsy atao ve amin’izao vanim-potoana izao ny mandoko sekoly sy mikarakara zaridaina na mamboly hazo ?

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana