Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mitombo isa ireo sitrana Tena mahay ny mpitsabo Malagasy

14/04/2020

Tsy nahitana tranga vaovao omaly, ka mijanona ho 106 ny olona mitondra ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

Nisy iray sitrana kosa ny andron’ny paska, ka 21 izany no efa sitrana, ary 85 kosa no mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy ny marary ahitana fahasoratana be ho an’ny omaly. Efa ho iray volana nisian'ny Covid 19 isika. Tsy misy maty na dia nisy efa nanao krizy be sempotra sy nampiasana “respirateur artificiel” aza teto Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa.Mahavita tsara ny asany ny mpitsabo, mpitsabo mpanampy, “urgentiste” na dia eo ihany aza ny tsy fahampian'ny fitaovana. .Nanamafy ny filohan'ny fikambanan'ireo mpitsabo mpananpy ny faran'ny herinandro teo fa misy mpiasan'ny fahasalamana mitaraina hoe na ny fiarovana "masque" hanaovana aza tsy ampy ka ny eo ihany no averina hanaovana. Efa nisy mpiasan'ny fahasalamana voan'ny Covid-19.Hita amin'ny fomba firesak'ireo profesora sy dokotera eo amin'ny TVM fa mahay ry zareo na eo amin’ny fanazavana ara-teknika ny asa na ny serasera. Tsy kabary politika fa tena resaka teknika hamonjena ny ain'ny mpiray tanindrazana Etsy ankilan'izay mandeha ihany koa ny fikarohana ny fanafody, ary ny filoha aza moa dia efa sahy niteny fa eto Madagasikara ny akora mahasitrana ny Coronavirus. Antenaina fa ny mpikaroka sy mampahaizana Malagasy tokoa no hahazo ny fankasitrahana rahatrizay mivoaka amin'ny fomba ofisialy ny fisian'io fanafody io fa tsy sanatria ny vahiny no hidedaka fa mahavita azy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana