Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fepetra iadiana amin’ny COVID-19 Tena tsy azon’ny olona mihitsy ve ?

10/04/2020

Fitangorongoronana, revirevy anaty elakelantrano, sarety lasa solon’ny fiara fitateram-bahoaka sy mampifampitakosona ireo mpandeha.

 

 

 Santionany ireo amin’ny zava-misy tsikaritra eny rehetra eny izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tena tsy azon’ny malagasy ny fepetra natao iadiana amin’ny areti-mandripaka COVID19 raha izay no mahafehy azy. Etsy an-kilany moa dia vao mainka nampitombo ny fisalasalana sy nampandrimandry manana aretina ny ankamaroany ity fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana mamela ny isam-paritra hamonjy fodiana ity. Miampy ny tsy fametrahana ny fepetra hanibohana azy ireny rehefa tonga any amin’ny faritra niaviany avy. Tsiahivina hatrany fa ireo dokotera no nanazava fa mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy fifampikasohana na io mivantana, izany hoe, eo amin’ny olona samy olona, na io tsy mivantana, izany hoe noho ny fikasihana zavatra avy nokasihan’ilay olona nitondra ny valan’aretina no hifindran’ity areti-mandripaka ity. Izany no anton’ilay tokony hijanonana ao an-trano sy hanadiovana ny tanana amin’ny rano sy savony matetika na amina alikaola sy ireny “gel desinfectant” ireny satria ireo rehetra ireo dia mamono ilay viriosy avokoa. Ilaina koa ny mihinana ireo sakafo mampitombo hery fiarovana toy ny legioma sy voankazo satria tsy maharesy hery fiarovana matanjaka ity aretina ity. Raha tsy maintsy hivoaka ny trano dia ilaina ny manao arovava. Mila miala 1 metatra fara-fahakeliny amin’ny olon-kafa rehefa eny an-dalana mba tsy hisian’izay fifampikasohana na fifampitihan-drora voalaza teo izay.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana