Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Alasora Ny mpivarotra PPN sy legioma ihany sisa no misokatra

10/04/2020

Taorian’ny nahafantarana fa nahitana olona iray mitondra ny tsimok’aretina coronavirus ao amin’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano dia nandray fanapahan-kevitra hentitra ny Ben’ny Tanana ao an-toerana Andriantsoa Jimmy.

 

 

 

Ireo mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy ireo mpivarotra legioma ihany sisa no afaka mivarotra ny tapak’andron’ny maraina. Ny ankoatra izay dia manaja ilay fihibohana mijanona any an-tokantranony avokoa hiarovana ny fiparitahan’ny valan’aretina. Ankoatra izay dia nafindra toerana ao amin’ny kianja maitso avokoa ireo mpivarotra legioma rehetra, toerana tena malalaka hahafahana manaja ilay elanelana 1 metatra isan’olona. Nomarihin’ity Ben’ny Tanana ity moa fa mitovy ihany ny mpivarotra kafe sy alikaola noho izany samy tsy misy mahazo mivarotra avokoa. Tsiahivina moa fa vokatry ny fifandraisana na ilay “cas contact” no nahavoa ity olona iray tao Alasora ity ny coronavirus.

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana