Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Solofomalala Duval « Nanamora ny fitsaboana covid-19 fitiliana nialoha »

10/04/2020

Tsy dia misy ny hoe tsiambaratelo ny mahakasika ireo fahasitranan'ireo olona voan'ny coronavirus, fa isika teto Madagasikara dia efa niomana hatry ny ela

 

 

 

momba ity fisorohana sy ady amin’ity vanaretina coronavirus ity, hoy ny Pr Solofomalala Duval, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Tao anatin’ny fepetra napetraka ny fitiliana mialoha ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimokaretina. Rehefa natao izany tamin’ireo mpandeha avy any ivelany, avy any amin’ireo firenena nisy ny covid. Tamin’izany no nahafahana nahita ireo olona tsy misy fambaran’aretina fa kosa mitondra ny tsimok’aretina. Tahaka ny aretina rehetra hoe natao nialoha ny fitiliana, natomboka nialoha ny fitsaboana dia ambony dia ambony ny taha-pahasitranana, ary kely dia kely ny taha hisian’ny fiombohan’ny aretina. Izay no mahatonga ny hoe betsaka tamin’ireo no tsy nisy fambaran’aretina. Na mitondra ny tsimokaretina fa tsy fambara na mitondra sy misy fambara, dia ny fitiliana eny amin’ny IPM ihany no manamarina. Na tsisy fambara aza, kanefa misy ny tsimokaretina dia afaka mamindra amin’ny hafa. Mbola tazonina sy manaraka fitsaboana, ary ny fitiliana ihany no mamoaka hoe: efa tsy misy tsimokaretina intsony, hoy ny fanazavana. Efa niezaka ny minisitera sy ny fanjakana amin’ny fampitaovam-piarovan-tena ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, indrindra fa eny amin’ny toerana mandray sy mikarakara ireo marary voan’ny covid-19. Tahaka izany ihany koa ny eny amin’ny tobim-pahasalamana samihafa. Izay no hanentanana ny rehetra hanantona hatrany ny tobim-pahasalamana, raha misy fambara ary tsy ny coronavirus ihany io, fa ny aretina rehetra ilana fitsaboana. Nanentana ny rehetra tsy hisalasala hanantona ny tobim-pahasalamana ity manam-pahaizana ity.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana