Dans la mme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

KABARIN’NY FILOHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

 

 

 

 “Samia miaiky fa ny ady gasy no nahavonjy vahoaka fa tsy fandaminana sy tetikady politika izany. Tsy araka eto amintsika ireo fepetra ara-pahasalamana ataon'ny firenen-dehibe any ivelany ireny nefa hitantsika fa mikararana ny isan'ny maty ary mitombo isanandro ny marary any Etazonia, Frantsa, Italia ary Espagne.”. Nilaza izy fa tsy manana ny ho enti-manana tahaka ny firenen-kafa ny Fitondrana eto amintsika ary tsisy fampitahana azo atao. Isika koa tsy afaka hiteny fa manana stratejia henjana noho ny hafa nefa sady tsisy maty eto amintsika no tsy dia mihanaka ny aretina. Arak any nambarany hatrany dia tena matehi-dera ny mpitsabo eto amintsika satria na tsy ampy fitaovana na koa ara-bola aza dia ny toe-tsaina feno fahavononana maha Mpitsabo azy ireo aty amin'ny tany mahantra no nentin'izy ireo niatrika ny ady ary nahomby. Farany dia namafisiny fa ny ady gasy no nanavotra ny vahoaka.Ny isan-tokatrano rehetra dia samy nampiasa ireo fanafody nenti-paharazana ary ny vahoaka samy vahoaka no nifampianatra sy nifampita vaovao sady efa mahazatra vahoaka koa ny manao adigasy ka miala maina ity areti-mandoza ity eto amin'ity Nosy malalantsika feno hasina ity. “Hampisongadina an'i Madagasikara eran-tany ity ady gasy ity ary hampidi-bola izay tratra saingy aoka mba ho fananan'ny firenena Malagasy izay orinasa hanodina io ady gasy io fa tsy ifandroritan'ny mpangalatra zatra mpanao ampihimamba mpandroba firenena indray” hoy hatrany ny fanazavany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana