Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Krizin’ny Coronavirus Mba tojo olana koa ireo Miliaridera maneran-tany

10/04/2020

Mitotongana ny haren’ireo mpanefoefo maneran-tany satria mahatratra 226 no nanjavona tao anatin’ny fanasokajian’ny gazetiboky Amerikana Forbes.

 

 

 

Voalazan’ny Forbes  ny 7 aprily teo, fa ny 6 martsa dia miisa 2321 ireo miliaridera maneran-tany tafiditra tao anaty fanasokajiana, ary efa nidina ho 2095 izany ny 18 martsa. Nambaran’ny tranonkala Les échos ihany koa fa ho an’ny 2019-2020 dia ny antsasa-manilan’ireo miliaridera no nahatsapa ny fihenan’ny harenany izay mitambatambatra ka mahatratra hatrany amin’ny 700 miliara dolara izany. Ilay mpanefoefo indrindra eto ambonin’ny tany tompon’ny tranonkala Amazon.com,  Jeff Bezos dia nahatratra 8 miliara dolara ny fitotonganana tao anatin’ny herinandro satria raha 117 miliara dolara izany ny 6 martsa dia nihena ho 109 miliara dolara ny 14 martsa. Ny an’i Bill Gates isan’ny namorona Microsoft, dia 108,2 no lasa 103 miliara dolara izany hoe 5,2 miliara dolara tao anatin’ny herinandro. Ilay Frantsay  Bernard Arnault, fahatelo manankarena indrindra eto ambonin’ny tany Filoha Tale jeneralin’ny LVMH, dia nihena 14 miliara tao anatin’ny herinandro, ka lasa 84,6 miliara dolara ny hareny. Ny an’i Warren Buffet dia voasazy noho ny olana tamin’ny kaompania ana habakabaka, ka ny vondron’orinasany Berkshire Hathaway dia isan’ny mampiasa volabe. 81,6 miliara ny totalin’ny fananany herinandro nialoha, saingy nitotongana ho 76,3 ny zoma lasa teo. 9,2 miliara dolara kosa ny very tao anatin’ny herinandro ho an’i Mark Zuckerberg mpamorona ny facebook, ka 62 miliara ny tomban’ny hareny amin’izao fotoana izao.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana